11/12/2017

Johnny Halliday : Lavo ny andrarezin’ny rock frantsay

Lavo ny andrarezin’ny mpiangaly mozika rock any Frantsa. Jean Philippe smet, na fantatry ny maro amin’ny hoe Jhonny Halliday. Niady hatramin’ ny farany tamin’ny homamiadan’ny tratra izy. Tokony ho tamin’ny dimy ora maraina (ora eto an-toerana) no nindaosin’ny fahafatesana i Jhonny. Mpanakanto frantsay anisan’ny ankafizin’ny frantsay sy izao tontolo izao mihitsy no lavo teo amin’ny faha-74 taonany. Tao anatin’ny hafatra mifona alahelo lehibe no nilazan’ i Laetitia Halliday izao famoizany ny vadiny izao. Izay niparitaka avy hatrany tamin’ny tambazotran-tserasera maro isan-karazany. Samy naneho ny alahelony avokoa ireo mpankafy azy. Tsy diso anjara tamin’ izany ny filoham-pirenena frantsay Emmanuel Macron. Tahaka ny mahita ny tour Eiffel mirodana no ahitan’ny ankamaroan’ny frantsay izao fahalasanan’i Johnny izao. Mitoetra ao am-pon’ny maro ny sanganasany, izay efa mahatratra 110 tapitrisa ny rakikira lafony raha 1000 mahery ireo hira nahafantarana azy. Isan’ny tena ankafizintsika eto an-toerana ohatra ny « quelque chose de Tennessee », ny « que je t’aime », ny « je te promets » sy ny maro hafa.