11/12/2017

Jeneraly Paza Didier : “Roahina avy hatrany ireo zandary mandika lalàna”

Jeneraly Paza Didier. Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG). Nitondra famelaberana mikasika ny adidin’ny zandary eto amin’ny firenena. Nambarany fa roahina avy hatrany ireo zandary tratra mandika lalàna. Voalaza ihany koa fa tsy misy intsony izany kolikoly eo anivon’ny zandarimariam-pirenena izany. Resadresaka…

Gazety Triatra (+): Andriamatoa Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, azonao hazavaina ve ny mikasika sy ny mahakasika ny fanadiovana eo anivon’ny zandary. Voatonontona matetika mantsy ianareo amin’ireo fandikan-dalàna sy ny kolikoly.

SEG (-): Raha ny zandarimariam-pirenena aloha, azo lazaina ho fianakaviambe mihitsy. Efa manodidina ny 13.000 any ho any izao ny zandary manerana ny Nosy. Amin’izany maha fianakaviambe izany anefa, misy foana ny zavatra na/sy tranga miseho isan’andro izay tena tsy azo an’eritreritra mihitsy. Tsy maintsy misy hatrany ireo maningana ary mihoam-pefy mihitsy aza indraindray. Noho izany, rehefa tratra izy ireny, mahazo sazy mafy mihitsy ary miafara amin’ny fandroahana avy hatrany. Matetika mantsy tsy hita amin’ny endrika ivelany avokoa izany rehetra izany fa rehefa eny am-perinasa vao miseho tsikelikely. Misy koa amin’ny alalan’ny fitondrantena no hitsarana ny zandary. Izany hoe, ny fitsipi-pifehezana no mitondra ny zandarimariam-pirenena ka ireo lehibe isan-tokony no mijery izany. Raha ny marina, avy any ambany mihitsy no miakatra ny famaizana rehetra. Izay tsy manaraka ny fitsipi-pifehezana, mahazo sazy . Azo lazaina ihany koa fa tsy misy kolikoly izany eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Izaho SEG aloha tsy mbola naheno na naharay tatitra mikasika ny fanaovan’ny zandary kolikoly izany, hatreto.

(+) Mikasika ny asan’ny zandary eny amin’ny seranam-piaramanidina eny Ivato indray, avy aiza ary iza no manome baiko amin’ny fisamborana ireo mpanao trafika?

(-) Tsy misy baiko miainga izany. Ny eny Ivato anie ka fiaraha-miasa no tena misy eny. Asa hifandrombonana. Telo ny vondron-kery misy ao amin’ny seranam-piaramanidina ilay antsoina hoe “paramilitaire”. Misy polisy ao, misy zandary, misy ireo mpiasan’ny fadin-tseranana sy ireo mpiasan’ny Air Madagascar. Tsy misy hoe avy aiza ny baiko no miainga fa izay mahita no misambotra. Na izany aza anefa, misy ihany ny tsy fahatomombanana eo amin’io resaka io. Mbola maro ny zavatra tokony halamina ihany koa anefa eo amin’izay lafiny izay. Fa hatreto, izay mahita ilay trafika sy mahatsikaritra fikasana fanaovana trafika no misambotra avy hatrany. Noho izany, tsy misy hoe avy aiza ny baiko no miainga fa samy mandray ny trandrify azy fotsiny ireo tompon’andraikitra rehetra napetraka misahana izany. Vao miala any amin’ny “parking” hatrany anaty fiaramanidina, misy olona manara-maso hatrany. Fa matoa misy tsy tratra na votsotra, misy manao fanahy iniana “mikipy maso” ao izay na koa misy antony hafa mihitsy. Izany dia efa firaisana tsikombakomba amin’ireo mpanao trafika ary mendrika fanasaziana.

(+) Raha ny mikasika ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny indray, matetika miverimberina ary efa ho lava ny fitsaram-bahoaka eto amintsika. Misy fepetra manokana avy amin’ny zandary ve mahakasika azy ireny?

(-) Raha misy ny vondron-kery miady amin’ny fitsaram-bahoaka dia ny zandarimariam-pirenena no voalohany na/sy loha-laharana amin’izany. Ary matetika, may sy misy mandoro mihitsy ny “Caserne”-n’ny zandary noho ny fiarovana ny ain’ny olona izay na dia olon-dratsy aza ilay olona. Ny fisehon’ny fitsaram-bahoaka koa anefa miovaova. Raha raisina ohatra ny tany Ambanja, olona migadra no tafavoaka ny fonja, ireo ilay manao MOP (Main d’oeuvre pénale), no mamono olona indray. Naverin’ny fitsarana any am-ponja malaky ilay nahavanon-doza. Tezitra noho izay ny mponina ka mitaky ny hamoahana ilay voafonja hanaovana fitsaram-bahoaka, sns. Izany rehetra izany, tsy maintsy mandray fepetra ny zandary any amin’ilay toerana ka mety mampiasa izay fitaovana eo am-pelan-tanany hisorohana ny mety hitranga rehetra. Manaraka izany, anisan’ny fepetra raisin’ny zandary ihany koa ny manala ilay olona haingana eo amin’ilay toerana. Izany anefa tsy midika fa miaro ny mpanao ratsy ny zandary fa ny ain’olona no arovana. Ireny rehetra ireny, mila hoentina amina fahamatorana satria ilay “état de droit” mihitsy no heverin’ny olona fa tsy misy ka lasa samy manao izay saim-patany fotsiny. Izahay dia miady hatrany amin’ny resaka fitsaram-bahoaka ary tsy manaiky izany velively.

(+) Momba ny any amin’ireo Faritra Mena indray, mbola misy hatrany ny tsy fandriampahalemana. Manao ahoana ny fampitaovana ny zandary miady amin’ireo halatr’omby sy ny dahalo?

(-) Isaky ny misy halatr’omby, betsaka no tratra. Isan’andro dia manenjika ireo dahalo na/sy mpangalatr’omby hatrany ny zandary. Efa tafapetraka rahateo koa ny Vondron-kery manokana miady amin’ny dahalo na ny USAD. Na izany aza anefa, manao ezaka ary miezaka ny Fitondram-panjakana amin’ny fampitaovana ny zandarimariam-pirenena (ny Filoham-pirenena sy ny praiminisitra). Miezaka, araka izany koa anefa ny zandary. Izay fitaovana misy eo no tsy maintsy hanatanterahana ny asa. Tamin’iny taona 2016 iny izao, 47.729 ny omby very. Tafaverina amin’ny tompony kosa ny 24.087 tamin’ireo. Izany hoe, mitentina 24 miliara Ari zany no tafaverina. Nahatratra 14 kosa ny zandary lavo teo am-panatanterahana ny asany tamin’iny taon-dasa iny. Noho izany, manao ny ainy tsy zavatra mihitsy ireo zandary amin’ny fanenjehana ireo dahalo andro aman’alina.

 

Dinika nangonin’i MN