25/04/2018

Jeneraly Andry Rakotondrazafy : Nandray ny toerany omaly

Omaly alatsinainy 16 Aprily no nanantontosana teny anivon’ny zandarimariam-pirenena nasionaly ny famindram-pahefana arak’asa, izay natao tetsy Ankadilalana. Ny Jeneraly Andry Rakotondrazafy araka izany no voatendry hisolo toerana ny kaomandin’ny zandarimarian’ ny CIRGN, rehefa avy niasa naharitra teo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Vonona handray ny andraikiny, indrindra eo amin’ny fanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana ny tenany, nandritry ny lahateniny tamin’ny fandraisany ny toerany ho mpitarika. Nohantintrateriny ihany koa tamin’izany fa hiezaka hanohy sy hanatsara bebe kokoa ny zavatra efa vita teo aloha izy, ary hanatanteraka ny adidy napetrany taminy, izay tsy eto Antananarivo ihany no hanatanterahana izany asa izany fa hipaka hatrany Bongolava sy Vakinankaratra ary Itasy, hoy hatrany ny nambarany.

Valérie R.