17/12/2018

Jeneraly Andrianjaka Njatoarisoa : Voatendry ho kaomandin’ny zandarimariam-pirenena

Taorian’ ny filankevitry ny minisitra notanterahina omaly no nanendrena ny kaomandy vaovaon’ ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Andrianjaka Njatoarisoa, izay misolo toerana ny jeneraly Jean de Dieu Ramiandrisoa. Ny Jeneraly Andrianjaka Njatoarisoa moa raha tsiahivina dia efa kaomadin’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena teto Antananarivo ny tenany, ary efa tsapa fa nisy ny fampanjakana ny fandriam-pahalemana tamin’izany. Manoloana ity fanendrena ity dia feno tanteraka ny fepetra, satria ny Jeneraly Andrianjaka Njatoarisoa dia efa nahavita ny antsoina hoe “ Ecoles de Guerres”, izay nanovozana ny paikady amin’ ny fampandriana fahalemana. Anisan’ny efa nahavita ny “ecoles d’etat Major” ihany koa ny jeneraly Andrianjaka Njatoarisoa, izay ahafahany manova fahalalana amin’ny fitantanana ny ambaindain’ ny tafika. Ankoatra izay dia efa lehiben’ny sekoly ambonin’ ny zandarimariam-pirenena tao Moramanga ihany koa ny kaomandin’ ny zandarimariam-pirenena vaovao ity, ary hiaraha-mahafantatra ny toerana izay notazoniny farany teo, dia ny CIRGN alohan’ny nitazonany ny toerana izay nahavoatendry azy vaovao izao.

Iratra Raitra