17/01/2018

Itaosy : Sprinter roa kila forehitra

Fiara sprinter miisa roa no indray najedaky ny afo tao anatin’ny indray mipi-maso teny amin’ny Cité Akany Sambatra Itaosy, omaly tokony ho tamin’ny 09 ora maraina tany ho any. Nipetraka teo amin’ny “parking” iray teny an-toerana ireo fiara ireo izao may kila tsy nisy noraisina izao intsony.Araka ny loharanom-baovao, dia tsy fantatra mazava izay tena niantombohan’ny afo, saingy raha ny voalaza kosa dia niainga tamin’ny iray tamin’ireo fiara roa ny firehetana, ary nihitatra teo amin’ilay fanindroany izay teo akaiky teo izany avy eo. Samy manana ny filazany moa ireo olona nanatri-maso ny zava-nisy, ka tsy fantatra izay tena marina. Tao ireo nilaza fa fifampikasohan’ny herinaratra no nahatonga ny loza. Tao kosa ireo nino avy hatrany fa ankasomparana no tao ambadik’io fahasimban-javatra izay mitentina an-tapitrisany maro ireo. Nikoropaka ny rehetra vantany vao nahita ny afo nijoalajoala. Tao ireo nandray ny andraikiny avy hatrany tamin’ny fiantsoana ny mpamonjy voina sy ny mpitandro filaminana teny an-toerana. Tao ihany koa anefa ireo nitazam-potsiny sy nidanaka fotsiny nahita ny zava-nisy. Tonga teny an-toerana ara-potoana ihany ireo mpamono afo, saingy somary nanano-sarotra ny namono izany, na dia nanao izay ho afany aza ireo tompon’andraikitra . Marihina fa fiara mbola miasa, ary mandeha tsara ireto niharan-doza ireto, ary olona samihafa no tompon’izany. Ny fanadihadiana natao ihany koa no nahafantarana fa fiara fitateram-bahoaka mampitohy an’Itaosy sy Ivato ireo sprinter ireo. Araka ny voalazan’ny manam-pahefana teny an-toerana moa, dia tokony tsy tonga tamin’izao fahavoazana izao ny firehetana saingy noho ny tsy fahitana ny fanalahidin’ilay fiara iray no nahatonga ilay fanindroany voakasika. Efa misokatra moa ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha amin’izao fotoana izao. Soa fa tsy nisy ny naratra, na ny aina nafoy.

Mialy R.