16/12/2018

Itaosy : Mpiasa nangalatra tamin’ny mpampiasany

Voasambotra taorian’ny savahao nataon’ny mpitandro filaminana tetsy Itaosy ny lehilahy iray manodidina ny 30 taona omaly, izay noraisim-potsiny teny amin’ny trano fonenany teny Itaosy. Ity farany araka izany no isan’ny voarohirohy voalohany nangalatra ny vola rehetra tao amin’ny mpampiasany. Araka ny fampitam-baovao ihany koa no nahazoam-baovao fa tsy teto an-toerana io ramatoa tompon-trano io fa naka entana hamidy tany amin’ny faritra, ka tany izy no nahare fampandrenesana mahakasika ny fahaverezam-bola tao an-trano, raha hampaniraka ilay mpanampy vaviny hampiasa ny vola. Ny alarobia lasa teo no nisehoan’izany, teny Behenjy kaominina Itaosy. Mpiasa roa araka izany izy ireo no miasa ao amin’ity trano nisian’ity halatra ity, ka noraisina ho iray tsikombakomba tamin’izany izy roa ireo. Tonga haingana teto an-toerana ny tompon-trano ka nitory avy hatrany ireto mpiasany rehefa nilaza fa tsy nahita izay naka ireo vola izy ireo. Fantatra fa vola mitentina an-tapitrisany io very io, izay efa nahavitana fifanarahana tamin’ny olona hividianana tany tao an-toerana. Nitory tamin’izany ilay ramatoa niharan’ny fanararaotana nataon’ny mpiasany ireo, ka samy nalaina am-bavany avokoa ireo mpiasa lahy sy vavy ireo, ka niaiky ny helony tamin’izany ilay lehilahy fa izy no nahavita ny halatra volabe io, saingy efa nalefany tany amin’ny vady aman-janany ny ampaham-bola, ary nampiasainy ny ambiny. Tsy nanaiky nanoloana ny zava-nisy ny tompon-trano ka nanamafy hatrany ny fitoriana, ary natolotra ny fampanoavana ny raharaha rehefa nahatanteraka ny asany ny polisy nisahana ny raharaha taorian’ny fanadihadiana, izay nahafantarana ny tena olon-dratsy. Miandry ny fotoam-pitsarana azy eny Antanimora indray araka izany ity lehilahy “gardien” ity taorian’ny famotorana azy.

Valérie R.