23/04/2018

Imbiky herilaza : « Raha hampilamina ny firenena dia azo ovaina ny lalàm-panorenana »

Nitondra fanazavana ara-teknika  mikasika ny tokony hanavaozana ny  lalàm-panorenana ny mpahay lalàna sady mpampianatra lalàna, Imbiky Herilaza omaly,  manoloana ny resa-be izay mandeha  etsy sy eroa amin’ izao fotoana. Ho azy dia misy, ary maro ireo  lalàna izay mifanipaka , raha ny lalàm-panorenana sy ny lalàna mikasika ny fifidianana no jerena. Mifarana amin’ny fanontaniana noho izany ny resaka izay natao tamin’ ity mpahay lalàna ity hoe hotanterahina  amin’ io lalàm-panorenana izay mifanipaka  io ve ny fifidianana, sa  hasiana ny fanitsiana mba hilaminana

Triatra : Manao ahona ny fahitanao ny lalàm-panorenana ankehitriny?

Imbiky  Herilaza : Betsaka ny fanakianana  raha ny lalàm-panorenan’ny repoblika fahefatra no jerena, ary hatramin’ ny mpanohitra ny fitondrana aza tsy mankasitraka ny fampiharana io lalàna io satria betsaka no tsy mazava  raha tsy hiresaka ny voalazan’ny andininy faha- 45 momban’ny fanendrena praiminisitra, na ny fanonganana ny filoham-pirenena araka izay hita ao amin’ny andininy faha- 64. Raha  tsiahivina dia norafetina ny taona 2010 io lalàm-panorenana io, ary ny desambra 2010 ihany dia natao ny fandaniana , tamin’ izany dia efa maro ireo nimenomenona satria tsy nampidirina tao ny hevitry ny olona rehetra ary tsy noraisin’ny komity   mpandrafitra  ny lalàm-panorenana ihany koa  ny hetahetan’ny besinimaro. Nolazaina tamin’izany fa norafetina ho an’olon-tokana io lalàm-panorenana io.

Triatra : Inona no hitanao fa olana anatin’io lalàm-panorenana io?

Imbiky  Herilaza : 2014,2015,2016 efa nandeha ny fanendrena praiministra intelo, dia efa  nilaza ny olona fa ny lalàm-panorenana mihitsy no mahatonga ny tsy fahamarinan-toerana noho ny andininy faha-54. Noho izany tsy io irery no tokony hojerena fa tokony samy hanontany isika, sy mila mijery hoe tena mety amintsika Malagasy amin’ izao ve ny lalàm-panorenana , satria efa maro ny olana nateraky ny andinin-dalàna sasantsasany izay efa nampiharina, na ny olana izay mety hitranga mety ateraky ny andinin-dalàna hafa izay mbola tsy nampiharina . Ohatra ny andinin-dalàna mikasika ny fifidianana izay mety hiteraka olana goavana eto amin’ny firenena foana raha tsy misy ny fandinihana. Ka noho izany ny fanontaniana tokony hipetraka dia izao  “afaka tonga dia hiroso amin’ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka ve isika amin’io lalàm-panorenana izay hita fa mampizarazara sy nitarika fanakianana mafy dia mafy “. Ka ny fanovana ny lalàm-panorenana amin’ny ampahany, na iray manontolo no tokony hatao aloha .

Triatra : Inona ohatra izao no tokony hovaina ?

Imbiky  Herilaza : Ankoatra ny andininy faha- 54 sy 71 anatin’ny lalàm-panorenana sy ny manaraka azy  rehetra , dia tokony hasiam-panovana  ohatra izao ny mikasika ny andinin-dalàna milaza fa  “fanatanterahana  ny fifidianana  dia atao manelanelana ny 25 novambra hatramin’ny 25 desambra 2018’’, izay anatin’ny fahavaratra tanteraka,  ary io nefa izay  tsipahan’ny andininy faha- 36 ao amin’ny lalàm-pifidianana izay milaza fa “tokony ho maintany eo anelanelan’ny 30 aprily hatramin’ny 30 novambra no hanatanterahana ny fifidianana”  raha tsy misy ny fanomezan-dalana manokana homen’ny HCC izay angatahin’ny CENI toa ny tamin’ny taona 2013. Ankoatra izay ihany koa dia mampisalasala ny voalazan’ny andininy faha-46 andalana faha-3, ary ny andininy faha-52  andalana fahatelo mikasika ny fametraham-pialana ataon’ny  filoham-pirenena,  na ny tsy fahafahan’ny filoha amperin’asa manatanteraka ny asany , satria ireo andininy sy andalana ireo dia milaza fa raha tsy afaka manatanteraka  ny asa  maha filoha, ny filohan’ny antenimierandoholona dia ny governemanta iray manontolo no miaraka misolo toerana ny filoham-pirenena . Izany anefa dia mety ho sarotra ihany ny fanatanterahana azy , satria dia samy ho filoha avokoa izany ireo minisitra rehetra ireo. Anatin’ izany ihany koa ny andinin-dalàna mikasika ny filan-kevitra ambonin’ ny mpitsara izay anisan’ny anatin’ny  fitakiana ny fanovana ny firafiny ka hanesorana tsy ho ao intsony ny Filoham-pirenena sy ny minisitry ny fitsarana mba hisian’ny fahaleovantena bebe kokoa ho azy ireo. Ao ihany koa ny andininy izay mahakasika ny fanapariam-pahefana teo amin’ny faritra sy ny faritany, ary anisan’ izany ny tokony hifidianana ihany koa ny filohan’ny fokontany. Ireo antony maro ireo izay efa niainana sy  mbola iainana , ary  nahitana olana goavana eto amin’ny tany sy ny firenena no mahatonga ny fanontaniana mipetraka hoe tokony hisy ny fanovana ammin’ny ampahany, na manontolo ve ny lalam-panorenan’ny repoblika fahefatra. Ny baraingo lehibe mipetraka dia ny hoe fotoana ve izao hanaovana izany fanovana izany, satria efa atomotra ny fifidianana. Izany rehetra izany anefa dia miankina tanteraka amin’ny fifandresen-dahatry ny besinimaro, ary afaka irosoana raha toa ka hita fa ho an’ny tombontsoan’ny firenena.

Triatra : Fa maninona no efa akaiky ny fifidianana vao miresaka io fanovana lalàm-panorenana io?

Imbiky  Herilaza :Tamin’ny fotoana teo aloha dia mbola sahirana, ary tsy afaka nijery ny fanovana ny lalàm-panorenana ny mpitondra , na sahirana noho ny fisiany aza, ny antony dia teo ireo krizy politika maro samihafa izay tsy nahafahany niaina, ary koa mbola laharam-pahamehana ny fikatsahana ny famerenana an’i Madagasikara anatin’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena , satria nandritra ny Tetezamita 5 taona dia nahantona sy nahilika isika, ka tany ho laharam-pahamehan’ny mpitondra. Teo ihany koa ny disadisa tamin’ny fanendrena ny praiminisitra intelo sy ny fanonganana ny Filoham-pirenena izay nolanian’ny solombavambahoaka mikasika ny Filoham-pirenena .

 

Iratra Raitra