19/12/2018

Iavoloha : Masoivoho telo noraisin’ny Filoha

Manao tohivakana ny firenena manaiky ny maha ara-dalàna an’izao fitondrana misy izao ka mandefa ny solontenany hiasa eto Madagasikara. Omaly dia ambasadaoro telo avy hatrany no noraisin’ny Filoham-pirenena, Rajaonarimampianina Hery, nanatitra ny taratasy manamarika ny hiasany eto Madagasikara. Tao anatin’izany ny ambasadaoron’i Botswana, Zenene Sinombe, ny ambasadaoron’i Zambie, Emmanuel Mwamba, ny ambasadaoron’i Mozambique, Paulino Jose Macaringue. Nambaran’ny ambasadaoron’i Botswana fa “ny sehatra diplomatika, ny fiaraha-miasa ara-politika, ny ara-ekonomika, ary ny fifandraisana “socio-économiques”, dia manamafy ny fifandraisana amin’ny samy mpikambana amin’ny Sadc”. Ny ambasadaoron’i Zambi kosa dia nilaza fa “samy ao anatin’ny sehatra hitadiavana ny paikady fampandrosoana isika. Mahafaly anay ny voatendry hiasa eto Madagasikara, izay mitantana ny Comesa amin’izao fotoana izao. Hanasa ny Filohan’ny Repoblika Malagaasy izahay ho any Zambi”. Ho an’i Mozambika kosa dia nambarany fa “mitovy ny olana sedrain’i Madagasikara sy Mozambika eo amin’ny resaka politika sy diplomasia. Mitovy ihany koa ny olana amin’ny ady atao hanafoanana ny fifandroritana. Izao fiaraha-miasa izao dia hahakasika ny toekarena, ny fandriam-pahalemana, ny fizahantany ary ny tontolo iainana”.

NIAR