16/08/2018

Horonantsary mamoafady : Vehivavy gasy telo niteraka resabe tanaty facebook

Very ny soatoavina maha-malagasy, ary tsy misy hasiny intsony izany amin’izao vanim-potoana izao raha ny fahasahian’ireo tovovavy malagasy miisa telo niboridana sy nanao horonantsary mamoafady , niparitaka tany anaty tambazotran-tserasera “facebook” nanomboka ny talata lasa teo . Raha ny fahitana ny zava-niseho, dia nanao irony karazana fivarotan-tena mihaja amina teratany vahiny monina any ivelany, amin’ny alalan’ny “vidéo skype” irony izy ireo tamin’izany, ary dia tsy nisy tahotra na henatra, na dia kely akory aza. Nandalo teo ambany mason’ireo mpampiasa “facebook” an’arivony io horonantsary io, ary niteraka resa-be tao anatin’ity tambazotram-pifandraisana ity. Ankoatra ny tsy fanajana ny fomba sy ny soatoavina mampiavaka antsika, dia fanalam-baraka ny vehivavy malagasy tsy an-kanavaka no nandraisan’ny rehetra izany , izay samy tohina sy naneho fanakianana avokoa teo anatrehan’iny tranga iny. Izany tokoa ve ny vokatry ny fanarahana an-jambany ny fomba sy ny rivotra iainan’ny firenena tandrefana? Tsy any amin’ny resaka fitafiana sy ny fomba fiteny irery intsony no alaina tahaka, fa dia efa adika hatramin’ireo fomba ratsy rehetra izay mbola tsy zakan’ny sain’ny malagasy mihitsy. Mba tsy hiverenan’ny fihetsika tahaka ireny intsony, dia tokony handraisana fepetra voalohany indrindra ireo orinasa mivarotra vehivavy malagasy amin’ireo teratany vahiny amin’ny alalan’ny “vidéo skype” sy ny “téléphone rose”, satria dia isan’ny mampiroborobo ny fivarotan-tena izy ireny. Maro amin’ireo tanora malagasy rahateo no tsy te hisasatra sy tsy te hiasa mafy, ka zaran’izy ireo aza misy asa hahazoana vola mora tahaka ireny, na dia efa hita mibaribary izao aza fa mitondra any amin’ny fahafaham-baraka sy ny fahapotehana.

MIaly R.