20/06/2018

Hopitalim-panjakana iray : NAMONO OLONA NY TANDREVAKY NY MPITSABO

Maro tamin’ireo efa nanana fianakaviana tsy salama na hiteraka no nahatsikaritra ny fomba fiasa feno somongan’ny mpampivelona sasantsasany ao amin’ny hopitalim-panjakana iray eto an-drenivohitra. Zary fitaintainana hatrany araka izany ny fanarahana fitsaboana ao an-toerana na hoe hiteraka noho ny tandrevaka ataon’ireo olom-bitsy ireo. Ho tontosa soa aman-tsara ve ny fitsaboana sa sanatria hiafara amin’ny fisarihana aman’aina? Fanontaniana mipetraka rehefa tojo tsy fahasalamana. Rehefa tafavoaka soa aman-tsara ny hopitaly dia tsy tsaroana loatra ireo olana nosedraina nandritra ny fotoana nitsaboana ireny fa rehefa sendra fahasarotana dia zary fotoana tsy azo fafana ao an-tsaina ny trangan-javatra tahaka izany.   Fianakaviana iray sendra ny mafy nandritra ny fitsaboana tao an-toerana no tafaresaka taminay, ny hitondra ny havany hiteraka no anton-dia kanjo…

Triatra: Oviana dia inona marina ny zava-nitranga taminareo?

Thierry (T):  Tamin’ny faramparan’ny taona 2015 no nitranga ny tantara. Ny anabaviko no niandry vohoka ny zanany tamin’izay. Nanaraka ny fizahana sy ny fanaraha-maso rehetra fanao amin’ny vehivavy bevohoka na ilay antsoina hoe “misafo” tao amin’io hopitaly io  izy nandritra ny fitondrany vohoka ary nambaran’ny mpampivelona nandray azy  fa ara-dalàna avokoa  ny fahasalamany sy ny an’ny zanany izay tao am-bohoka. Rehefa tonga àry ny fotoana ahaterahany dia nanantona anay ny mpitsabo ary nilaza fa nisedra fahasarotana ny havanay ka tsy maintsy hiroso amin’ny fandidiana azy izy ireo mba hamoahana ara-potoana ny zaza ao an-kibony sy hamonjena ny ain’ny reniny. Amin’ny maha vonjy aina azy dia tsy niandry ela izahay nanangona ireo fitaovana sy ny vola rehetra ilaina amin’ny fandidiana. Fotoana fohy taorian’izay dia nampidirina tao amin’ny trano fandidiana ny tenany ary dia vita soa aman-tsara ny fandidiana.  Avotra avokoa na ny reny na ny zaza. Hafaliana no nandraisanay izany ary dia namita ny andro tokony hijanonana toa ireny olona avy nodidiana rehetra ireny izahay dia nody.

Triatra:  Dia nanao ahoana ny tohiny?

(T): Tamin’ny fotoana nodianay tany an-trano mihitsy no nitranga ny olana satria dia nanjary nahare fanaintainana goavana tao amin’ny faritra nodidiana ny anabaviko izay efa noheverina ho sitrana. Niha betsaka ny rà nandeha taminy ary ny loza dia manafotra azy ny fihetsehan’ilay fanaintainana. Avy hatrany dia niverina tany amin’ny mpitsabo izahay dia nahazo fanafody saingy toa vao mainka nampahery vaika ny zava-nihatra taminy izany. Safotra matetika izy tao anatin’ny iray andro.  Dia niverina tany amin’ny mpitsabo indray ka teo vao nasaina nanao “echo” izahay.

Triatra: Dia inona ny hitan’ny “échographie”?

(T): Tsy nahazo fanazavana mazava loatra izahay na dia niezaka namantatra ny   nahazo ilay havanay aza. Ny zavatra renay dia ny fifamaliana teo amin’ireo mpitsabo roa; ilay iray nanao ny fandidiana sy ilay nanao fitarafana azy. Raha ny fahazoana azy dia    nahita zavatra hafahafa tao amin’ny kibony ireo mpitsabo nanao ny “échographie” ka antony nampiantsoany ilay namany nanao ny fandidiana. Renay ihany koa mantsy fa nisy fitaovana kelin’ireo mpitsabo ireo very nandritra ny fandidiana ka hinoana marina fa io no tavela tao anatin’ny kibon’ny havanay ilay izy.

Triatra: Inona indray no natao avy eo?

(T): Ny nambaran’ny mpitsabo dia hoe rà mivaingana nandritra ny fandidiana no ao anatin’ny kibony ary dia afaka mody izahay niaraka tamin’ireo fanafody vitsivitsy , nambarany aza fa tsy misy atahorana…Andro fohy monja taorian’izay anefa dia  nindaosin’ny fahafatesana  ny anabaviko. Tsy naharesy ny ady mafy vokatry ny tsy fitandremana kely monja.

Triatra: Inona no nataonareo fianakaviana taorian’izay?

(T): Rehefa niady hevitra ny amin’ny tokony hanaovana fizahana ny razana izahay fianakaviana ahafantarana ny zava-nahazo ny havanay dia nisy lafim-pianakaviana akaiky mitsipaka izany nilaza fa tsy hampiverina ny maty izany ka dia najanona tamin’izao fotsiny.

Tranga iray tao anatin’ny maro ihany no noezahina noentina teto, hoentina indrindra hanairana ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny tandrify avy hijerena ireo mpitsabo sy mpampivelona ary ny mpiasan’ny fahasalamana amin’ny ankapobeny eny amin’ny toeram-pitsaboana isan-karazany izay manao tsinontsinona ny ain’ny marary tahaka izany. Maro mantsy ary tsy azo hodian-tsy hita ireo sasany maro manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fanompoana ny marary tonga eo anatrehany.

Vonimbato R.