25/05/2018

HJRA : Tafapetraka ny toeram-pitiliana homamiadan’ny vehivavy

Vita ny fanavaozana sy fampitaovana ny sampana fitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza na « Cancers gynécologiques » sy ny « Laboratoire Anatomo-phatologie » ao amin’ny Hopitaly HJRA, araka ny fampanantenana nataon’ny Filoha Rajaonarimampianina Hery mivady. Tonga nitokana izany sy nanolotra izany ho an’ny vehivavy malagasy rehetra tamin’ny fomba ofisialy izy mivady, omaly. Izay toeram-pitiliana homamiadan’ny vehivavy raitra sy tsy mena-mitaha amin’ny any ivelany. Mahazo manao fitiliana ao avokoa moa ny vehivavy rehetra hoy ny Filoha ary maimaim-poana izany. Tsy vitan’ny fanatsarana fotsiny ihany fa notolorana fitaovana arifomba manaraka ny fenitra iraisam-pirenena koa ny toeram-pitiliana ity. “Misokatra ho an’ny Malagasy iray manontolo ity toerana ity. Raha mandeha tsirairay ny olona manao fitiliana teo aloha dia izao afaka mandeha maro be sady vetivety ny valin’ny fitiliana”, hoy ny fanamarihan’ny Profesora Rakoto Alson Olivat, lehiben’ny CHU HJRA. Marihina fa zava-dehibe ny fanaovana fitiliana mialoha mba ahafahana mitsabo mialoha, sy misoroka ihany koa ny fihitaran’ny aretina. Fantatra moa fa mety ho voan’ny aretina homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza avokoa ny vehivavy rehetra, indrindra rehefa eo amin’ny taonan’ny fiterahana.

Laurena Nany