21/11/2018

Hetsiky ny 13 mai : Hanamafy ny fitokonana manomboka anio

Tsy nahafa-po izay mbola tavela teny an-kianja ny firafitry ny governemanta ankehitriny, ka dia nanapa-kevitra ireo mpitarika fa hanamafy izany manomboka anio. Hisy indray araka izany ny fakana ireo mpiasa manerana ireo minisitera nametrahana ireo minisitra efa nitantana nandritra ny governemanta Mahafaly. Hiainga eny Ankatso ny diabe, ka hihazo ireo minisitera maro efa ao anatin’ny fandaharam-potoana fa hakana ireo mpiasa, ary mipaka hatreny amin’ny kianjan’ny 13 Mai. “Tsy nohajaina ny fanapahana navoakan’ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana ny amin’ny fandravana ny governemanta teo aloha, sy ny fanesorana ireo mpikambana tao aminy ka tsy azo ekena izany” hoy nambaran’ireo nifandimby nandray fitenenana. Tsy anisan’ireo minisitera hakana mpiasa kosa ireo nametrahana ny Tim sy ny Mapar. Governemanta iray ihany anefa no misy azy ireo amin’izao fotoana izao. Hanamafy ny hetsika araka izany ireo tsy mankasitraka ny fitsanganan’ny governemanta vaovao etsy amin’ny kianjan’ny 13 Mai noho ny tery ataon’ireo mpitolona, sy ireo mpitarika sendika. Ireto farany izay efa nafana fo ka nanao ny fomba rehetra nanoherana ny fandraisan’ireo minisitra tsy ankasitrahan’izy ireo ny fahefana omaly. Anisan’izany ny tao amin’ny minisiteran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra izay tsy nahatontosa ny famindram-pahefana hatramin’ny faran’ny tontolo andro. Teo ihany koa ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Vola, sy ny fitantanam-bola. Ireny sendika sy mpiasa ireny, dia samy naneho ny fahavononany hanatevin-daharana ny hetsika etsy amin’ny kianjan’ny 13 Mai avokoa manomboka androany.

Andry Rakoto