19/11/2018

Hetsik’i Ravalomanana Marc : Ho rà mandriaka fanintelony ?

Nandray fanapahan-kevitra manoloana ny loza mitatao ho an’ny fandriampahalemana sy ny filaminam-bahoaka ny Prefektioran’Antananarivo ka nanafoana ny fahazoan-dalana fanamarihana ny faha-15 taonan’ny antoko TIM nokasaina hatao etsy Mahamasina. Fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana ho fanamarihana io tsingerin-taona io no fangatahana nataon’ny antoko TIM. Tsy izany anefa no hataon-dRavalomanana Marc fa tena hetsika politika ary efa maro ny angom-baovao azon’ny mpitandro filaminana sy ny manampahefana fa mety hisy hanakorontana ka tsy maintsy nandraisan’ny Prefektiora izao fanapahan-kevitra nanafoana ilay fahazoan-dalana izao.

2002 sy 2009

Tokony hahay handray izao fanapahan-kevitry ny Prefektiora izao i Marc Ravalomanana mpanorina ny antoko TIM. Indroa nifamono ny Malagasy hatramin’izay nipoiran-dRavalomanana Marc teo amin’ny sehatry ny politika izay ary rà mandriaka hatrany no nitranga. Ny taona 2002, nandriaka ny rà ary tena nifamono ireo milisy mitam-piadiana “Zanadambo” sy ny milisin’ny amiraly Didier Ratsiraka. Mbola niverina indray anefa izany rà mandriaka izany ny taona 2009, nandritra ny fifandonany tamin’i Andry Rajoelina ary hatramin’izao dia mbola maro ireo olona nanjavona tsy misy nahafantarana azy intsony raha tsy hiresaka afa-tsy ny zava-nitranga tao amin’ny Trading Center sy ny fitifirana teny Ambohitsorohitra ny 7 Febroary 2009.

Tia tanindrazana

Dia ho sanatria ve mbola hitondra rà mandriaka fanintelony indray i Marc Ravalomanana? Tokony hampiseho fanetren-tena hanaiky izao fanapahan-kevitry ny Prefektiora izao ny tenany raha tena tia tanindrazana marina. Matoa nisy izao fanapahan-kevitra izao dia noho ny fahafantaran’ny mpitandro filaminana sy ny manampahefana ny loza mitatao ho an’ny fandriampahalemana sy ny filaminam-bahoaka. Mbola marary an’ireo olona namoy havana sy nitondra takaitra ny zava-nitranga tamin’ny taona 2009. Mbola eo am-pitakiana ny onitra any amin’ireo izay nomelohin’ny Fitsarana handoa izany manodidina iny raharaha 7 Febroary iny aza hatramin’izao, ireo mpikambana ao amin’ny AV7.