16/12/2018

Hetsika « Mandio » : Mpaka an-keriny 66 voasambotra

Tao anatin’ny 20 andro nanatanterahina ny hetsika “mandio” dia nahatratra 66 ny mpaka an-keriny voasambotra tany amin’ny faritra Betsiboka, Alaotra Mangoro, Boeny sy Sofia ary Analamanga. Io no tarehimarika nambaran’i Ralambomanana Dera Abel, kaomandan’ny vondron-tobim-paritra any Boeny, nandritry ny fampahafantarana ny vokatra azo nandritra ny hetsika tany amin’ireo faritra ireo. Araka izany, ny resaka fakana an-keriny no tena mampikaikaika ny vahoaka na ny any amin’ny faritra, na ny eto an-drenivohitra. Tafiditra ao anatin’ity hetsika” Mandio” ity indrindra ny famongorana ireo mpanao asa ratsy. Vokany 61 tamin’ireo mpaka an-keriny voasambotra teo am-piomanana hanao ny asa ratsiny nandritry ny fidinana ifotony no efa naiditra am-ponja. Ity moa dia asa lasa fanaon’ny dahalo, izay tsy iza fa mpangalatra omby ihany no maka takalon’aina, ka mitaky vola be izy ireo ho tambin’ny famotsorana ireo lasibatra. Nandritry ny fisamborana dia voapaingotra nandritry ny fifanenjehana ihany koa ny mpangalatr’omby miisa 27. Tranga manodidina ny 25 no niseho, ka nahavery omby manodidina ny 428, ary tafaverina ny 70 isan-jaton’ireo omby very. Araka izany, 24 tamin’ireo no efa nadoboka am-ponja vonjimaika taorian’ny fakana am-bavany. Ankoatra ireo, miisa 8 ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana tamin’izany, ka nahatratrarana ireo atidoha. 35 Tapitrisa Ariary no totalim-bola very nandritra ireo fanafihana ireo. Amin’ny tranga fanenjehana dahalo tahaka itony, misy hatrany ny fifandonana eo amin’ireo dahalo sy ny zandary vao misy ny voasambotra. Tamin’izany no nahalalana fa miisa 9 ny dahalo maty voatifitra nandritry izany fifampitifirana izany. Mbola mitohy ny asa, ary tsy hitsitsy mihitsy ny mpitandro filaminana manoloana ny tsy fandriam-pahalemana, izay efa tena miantraika amin’ny vahoaka.

Valérie R.