23/06/2018

Hery Rajaonarimampianina : « Zava-dehibe ny fanajana ny lalàna »

Mitohy hatrany ny asa fampandrosoana ataon’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Omaly mantsy, dia nitokana ny fotodrafitrasa ho an’ny zandary “poste avancée” tao amin’ny kaominina Manakambahiny Andrefana, Faritra Alaotra Mangoro, ny Filohan’ny Repoblika. Vahoaka marobe no tonga nitsena sy nanotrona azy tamin’izany.

Teo amin’ny fandraisam-pitenenana nandritra ny lanonana, dia notsindrian’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina fa antoky ny fampandrosoana ny fampanjakana ny lalàna. “Tsy misy ahafaha-mampandroso afa-tsy ny fanarahan-dalàna. Mila hajaina ny lalàna ary aoka ho tandrovana mandrakariva izay voarakitry ny Lalàm-panorenna”, hoy ny Filoha.

Tsy vitan’izay fa nambarany ihany koa fa fanambin’ny fitondram-panjakana izay tarihiny ny fametrahana fandriam-pahalemana manerana an’i Madagasikara. “Tsy afa-mandroso sy mampandroso isika raha tsy misy ny fandriam-pahalemana. Noho izany fanambin’ny Filoham-pirenena sy ny Fitondram-panjakana ny hametraka izany. Tsy ho vita ao anatin’ny iray andro anefa izany fa isika rehetra no mila mifanome tanana hampandrosoana ity firenena ity”, hoy hatrany izy.

Ankoatra izay, notsindriany fa tafiditra indrindra amin’ny vina “Fisandratana” ny fametrahana fotodrafitrasa maharitra eo amin’ny tontolon’ny fandriam-pahalemana. Voalaza ihany koa fa tsy ho vita ao anatin’ny iray andro ny fametrahana fotodrafitrasa isan-tsokajiny eto amin’ny firenena. “Tsy ho vita ao anatin’ny iray andro na roa taona velively ny fanarenana ny firenena izay efa latsaka tao anatin’ny lavaka mangitsokitsoka. Ankehitriny ny Fitondram-panjakana dia mbola manototra izany lavaka izay nateraka sy napetraky ny lasa teto amin’ny firenena izany. Noho izany indrindra, tokony mijery sy mibanjina ny any aloha ny rehetran, ary hifanome tanana amin’ny fampandrosoana ny firenena sy ny faritra misy azy”, hoy ny Filohan’ny Repoblika.

MN