16/12/2018

Hery Rajaonarimampianina : “Tsy azo hadinoina ny tantara sy ny adin’ ny mahery fo”

Notokanan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina omaly teny Ampitifirana Ankatso ny tsangambato fahatsiarovana ny faha-70 taona nitifirana ireo mahery fon’ny firenena, ny lietna Randriamaromanana Albert ny alarobia 28 aprily 1948 sy Rakotondrabe Samuel, Ratsizafy Samuel, Bekamisy ary Lezoma ny alatsinainy 19 jolay 1948. Marihina fa nanotrona ny fitokanana ny tsangambato ireo andiany izay mitondra ny anaran’ i Randriamaromanana Albert sy Rakotondrabe Samuel, ary tamin’ izany no nametrahan’izy ireo voninkazo teo amin’ ny tsangambato niaraka tamin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Marihina fa ny toby miaramila voalohany etsy amin’ ny RM1 Analakely dia nampitondraina ny anaran’ity manamboninahitra voalohany tao amin’ny tafika Frantsay ity ho fahatsiarovana azy. Tazana nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonam-pahatsiarovana teny Mausolé sy Ampitifirana Ankatso ihany koa ny fianakavian’ireo mahery fon’ny firenena ireo. Fa ankoatra izay dia nomarihina omaly ihany koa ny fahatsiarovana ny faha- 40 taona nianjeran’ ny angidimby Alouette III tao Ankazomiriotra 170 kilometatra miala ny renivohitra, ka namoizana ny Praiminisitra ny kolonely Joël Rakotomalala, Pierre Rajaonah minisitry ny Fampandrosoana ny eny ambany vohitra, Lietna-Kolonely Alphonse Rakotonirainy lehiben’ny etamazaoron’ny tafika malagasy , komanda Martin Rampanana talen’ ny kabinetra miaramilan’ ny Praiminisitra, Sous-Lieutenant Angelison Todisoa mpanamory ny angidimby ary ny l’adjudant-chef Fernand Ndriamanato teknisianina ny angidimby ary teo ihany koa i Victor Randriantsoa izay mpaka sary ny televizionina nasionaly na ny TVM. Tsiahivina fa ny 29 martsa 1976 dia ny praiminisitra Joël Rakotomalala no nametraka ny vato fototry ny nanamboarana ny fasan’ny mahery fo tao Mausolé , ary roa taona taorian’ ny nahafatesany noho fianjeran’ny angidimby nitondra azy ireo , izany hoe ny 30 jolay 1978 no namindrana ny nofo mangatsiakany sy ny Lieutenant-Colonel Alphonse Rakotonirainy ary Pierre Rajaonah tao Mausolé . Nisy ihany koa noho izany ny fanateran’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny eo anivon’ ny tafika voninkazo fahatsiarovana.

Fa mikasika kosa indray ny tolona notanterahin’ ny Lietna Randriamaromanana Albert sy ireo namany tamin’ izany fotoana ka nahatonga ny fitifirana azy teny Ankatso, dia tsara ny manamarika fa tsy nijanona teo amin’ ny 29 martsa 1947 ny ady sy ny tolom-panafahana. Mbola nitohy hatramin’ ny 20 volana izany ary mahery fo nitarika ny ady tamin’ izany ny Lietna Randriamaromanana Albert. Raha ny fanazavana izay nentin’ ny mpikaroka tantara ho an’ ny tolom-panafahana anivon’ny zandarmaria, ny Lietna Rasombiniaina Aime, dia manamboninahitra voalohany tao amin’ ny tafika Frantsay ny lietna Randriamaromanana Albert. Rehefa nody an-tanindrazana ity farany ka nahita ny faharesen ‘ny Frantsay tamin’ ny ady lehibe voalohany, dia tapa-kevitra sy nijoroany hoe “rehefa niady ho an’ ny firenena frantsay isika , dia andao hiady ho an’ny fahafahan’i Madagasikara”. Ny Lietna Randriamaromanana Albert tamin’ izany fotoana no tompon andraikitra, ary nitantana ny fitaovam-piadiana sy ara- materialy tao amin’ ny toby Fianarantsoa ny taona 1940 , 1941 hatramin’ ny 1946, ka nahafahany namatsy fitaovam-piadina ireo tanora izay nofanin’izy ireo tany Atsimo Antsinan’ny Nosy. Niaraka tamin’ny fikambanana miafina antsoina hoe JINA ( Jeunes Intelectuel Nasionaliste) sy ny ny PANAMA (Partie Nasionaliste Malagasy ) izay nisy an-dry itompokolahy Monja Jaona. Noho ny fahafantaran’ ny vahiny tamin’ izany anefa fa miray tendro sy mamatsy fitaovam-piadiana ireo tanora nofaninana ireo ny lietna Randriamaromanana Albert, dia notsaraina ny alatsinainy 21 sy talata 22 jolay teny amin’ ny tribonaly miaramila Andafiavaratra ny tenany, ka didy nivoaka dia ny fanamelohana azy sy Sergent Joelina Sylvain ho faty. Ny 28 aprily 1948 tamin’ ny 4 ora maraina tao ampitifirana Ankatso no natao ny fitofirana azy ireo, rehefa nogadraina sy nampijaliana tao amin’ ny fonja Antanimora. Nanatrika ny fitifirana izany hoe ny famonohana az tamin’ izany ireo teratany vahiny namany nahitana ny Pasitora Vernier, izay pasitora misiona frantsay teto Madagasikara sy ny maître Akar . Rehefa nandeha ny fitifirana azy dia nihiaka mafy ny Lietna Randriamaromanana Albert hoe “ho ela velona i Madagasikara” ary nanakoako izany.

Taorian’ izay niroso hatrany ny fanenjehana ka ny Alatsinainy 19 jolay 1948 dia voaheloka ho faty ihany koa i Rakotondrabe Samuel, Ratsizafy Samuel, Bekamisy sy Lezoma izay mpiady tia tanindrazana avy ao Vatomandry. Tao Ampitifiriana ankatso ihany koa no nitifirana sy namonoana azy ireo. Raha ny fantatra sy ara-tantara moa dia i Rakotondrabe Samuel no mpamatsy ara-bola ireo mahery fo tamin’ izany, noho izy i manana orinasa mpanamboatra paraky tetsy Antanimena sy tany Ambatondrazaka. Ankoatra ny famatsiana ireo mahery fo dia izy ireo ihany koa no namatsy vola ny fikambanana miafina JIN sy ny PANAMA izay tsy nanaiky mora ka nahazoana ny fahaleovan- tena. Amin’ ny maha mpanam- bola azy, dia tao amin’ ny orinasany no fivorian’ny Lietena Randriamaromanana Albert sy ny mpikambana anatin’ ny Antoko hanomanana paika niadiana tamin’ ireo mpanjana-tany frantsay.

Iratra Raitra