22/10/2018

Hery Rajaonarimampianina tao addis abeba : Efa ela Madagasikara no vonona niady amin’ ny kolikoly

Ny faha 28 ny volana janoary no niroso tamin’ ny atrik’asa ireo filoham-pirenena izay mandrafitra ny fivoriamben’ ny vondrona afrikanina tanterahina atsy addis abeba mikasika ny ady amin’ ny kolikoly. “ ny fandresena amin’ ny ady atao amin’ ny kolikoly dia lalana iray sady maharitra mankany amin’ ny fiovan’ i Afrika” manoloana indrindra ity fahavalon’ ny firenena afrikanina ity. Nambaran’ ny filoha Malagasy ihany koa ny fanamafisany ny asa efa vita sy natomboka mikasika ny ady amin’ ny kolikoly ,nanoloana ireo mpanao gazety ny televisionina Marokanina nandritra ny fanokafana ny fivoriam-be izay nilazany fa “efa misy ankehitriny ny fahavononana sy ny finihavan’ny vondrona afrikanina amin’ ny ady atao amin’ ny kolikoly” . nanipika hatrany ihany koa ny filoha Malagasy fa “ ny kolikoly ihany koa amin’ izao fotoana no mamparefo ny toe karena sy ny lafiny sosialy aty afrika, ary izany dia mampitsahatra mihintsy ny fivoaran’ ny firenena afrikanina tsirairay. Noho izany ny ezaka vitan’ ny firenena tsirairay amin’ ny ady atao amin’ ny kolikoly dia zava dehibe ny hifampizarana azy “ hoy hatrany ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Araka izany di any filoham –pirenena nizerianina no mandritra ny asa tanterahin’ ny vondrona afrikanina amin’ ity ady atao amin’ ny kolikoly ity, izay mihainga amin’ ny fototry ny fifanarahana ny taona 2003.

Nandritra ny niresaka izay nifanaovan’ ny filoha m-pirenena Hery Rajaonarimampianina tamin’ ireo mpanao gazety ihany koa no nipetrahan’ ny fanotaniana amin’ ny fiverenan’ i Maraoka aanatin’ ny vondrona afrikanina. Nambaran’ ny filoha tamin’ izany fa “ fanampiana fanmpiny no misy ary harabaina , ary ny tolon-kevitra izay ho entin’ity firenena ity amin’ ny traikefa hanany dia hankasitrahana foana hatrany “ hoy ny filoha namaly. Ny taona 2017 dia nahompan ‘ny vondrona afrikanina ho an’ny tanora , ary noresahina tamin’ izany ny mikasika ny fizarazarana eo amin’ ny lafiny demografika. Araka izany dia nanambara ny filoha vaovao ny vondrona afrikanina Paul Kagame amin’ ny tokony handraisan’ ny tanora ny adidy izay tandrify azy dien’ izao, amin’ ny fampivoarana an’i Afrika, ary indrindra ny hifantohan’ ny tanora lalina mba higohan’ ny tanaraka any aoriana ny asa vita amin’ ny tontolom-piainany . Izany rehetra izany dia misy eo amin’ ny fampivoarana eo amin’ ny andrim-panjakana sy ny ara bola eo anivon’ ny vondrona afrikanina, ary izany rehetra izany dia efa natarafana fandrosoana raha jerena amin’ ny lafiny ara-bola ohatra dia nahitana fiakarany 0,2 % ny tahan’ny fampidiram-bola eo amin’ ny haba noho ny fanondranana . Raha ny andro farany omaly kosa indray dia hisy ny fiaraha misakafo izay hiarahan’ ireo filoham-pirenena sy ny gouvernemanta, ary amin’ izany no hiarahan’izy ireo miresaka mikasika ny asa tanterahina mikasika ny tsy fanjarian-tsakafo.

Iratra Raitra

Raha ny mikasika ny lafiny kolikoly no jerena dia mahatratra 50 miliara dolara ny fatiantoka ho an’ ny firenena iray, izay antony mampihisitra raha teo ny lafiny fampandrosoana ary nivohitra hatrany fa ny fototry ny disadisa izany hoe ny lafiny politika sy ny sosialy dia io kolikoly io avokoa. Ankoatran’ ny kolikoly moa dia efa voalaza mazava ihany koa ny mikasika ny fandinihana mandritra ity fivoriana andiany faha 30 ity ny mikasika ny faritra izay hisian’ ny fifanakalozana mivantana manerana an’i Afrika, mpanjifa hatrany amin’ ny 1,2 miliara noho izany no andrasana. Mikasikia ity fisokafana ity dia efa tafiditra anatin’izany ihany koa ny lafiny fitanterana hanabakabaka izay mpandeha hatrany
amin’ ny 300 tapitrisa no andrasan ihanykoa hatrany amin’ ny fisandratana ny taona 2035. Anisan ‘ny nodinihana ihany koa moa ny mikasika ny fihidiram-bola sy ny fampiasam-bola eo anivon’ ny vondrona afrikanina izay hatreto aloha ny 80 % ny loharanam-bola ampiasaina dia ivelan’i Afrika avokoa. Ary ny ezaka vita dia tsy adinon’ ireo filoham-pirenena ihany koa ny nanamarika azy, di any tahan’ ny fihidiran’ ny vehivavy eo anivon’ ny vondrona afrikanina . ka raha ny atontan’isa no jerena ny taona 2012 hatramin’ ny 2016 dia nahatratra hatrany amin’ ny 29% hatramin’ ny 42 % izany fiakarany izany