17/10/2017

Hery Rajaonarimampianina tany Abidjan : Nahomby ny fihaonana tamin’ ireo tompon’andraikitra ara-toekarena

Niompana betsaka  amin’ny lafiny ara-toekarena ny fihaonana maro izay natrehin’ny Filoham-pirenena  malagasy tany Abidjan, ka maro ireo tombony izay ho azon’ i Madagasikara amin’izany.  Anisan’ny  nihaona tamin’ny Filoha malagasy ihany koa  mantsy  ny filoha tale jeneralin’ ny AfricanRice, ny dokotera Harld Roy-Macauley tao Abidjan ihany. Tafiditra anatin’ny lahadinika ny fanatsarana ny voka-bary sy ny fahazoana tombony avy aminy, ho an’ny sehatry ny fambolem-bary  eto Madagasikara. I Madagasikara moa izay anisan’ny mpikambana feno anatin’ny AfricanRice, izay vondrona mpikaroka momban’ny fambolena ‘’panafricaine’’, izay iraisan’ ny governemanta maro. Amin’ny alalan’ny FOFIFA, ivon-toerana nasionaly eo amin’ny fikarohana fampiarahana eo fampandrosoana ny eny ambanivohitra dia misahana ny toerana filoha lefitry ny AfricanRice i Madagasikara. Tanjona goavana  hiompanan’ny ivon-toerana  ny fanomezana vahana ny teknolojia hoentina mampandroso amin’ny alalan’ny fikarohana, mba hahafahana manatsara hatrany ny vokatra sy hahazoana tombony hatrany amin’ny vokatra ara-bary. Raha ny eto Madagasikara dia nitondrana tosika amin’ny alalan’ny fampandrosoana amin’ny  famokarana vary ny AfricanRice , miara-dalana amin’izay ny fikarohana  ara-jeografia eo amin’ny famokarana vary, mba hahafahana tonga amin’ny vokatra azo tsapain-tanana ary eo ihany koa ny fijerena ny fahazoana tombony amin’ izay lafiny fambolem-bary izay.

Minisitra « Québéquoise  »

Anisan’ny nihaona tamin’ny filoha malagasy Hery Rajaonarimampianina ihany koa ny minisitra « Québécoise » misahana ny raharaha ivelany  sy ny frankofonia, Christine Saint-Pierre. Nandritra ny fihaonana no nanoloran’ity minisitra ity  ny fanasana ho an’ny Filoha malagasy amin’ny fandraisana anjaran’i Madagasikara  amin’ny fivoriam-be iraisam-pirenena amin’ny fanjarian-tsakafo sy ny fiovaovan’ny toetr’andro izay hotanterahina any ‘’Québec’’ amin’ny volana septambra amin’ity taona ity. Mikasika kosa indray ny tetikasa izay hotanterahina aty Madagasikara, dia miankina betsaka amin’ny fametrahana ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaompania tsy miankina ‘’Québequoise’’ sy ny  orinasa iray lehibe eo amin’ny firenena izay hanatanterahana ilay tetikasa, mba hampiroborobo ny orinasa fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Marihina moa fa anisan’ny nahazo anjara amin’ ireo tetikasa miisa 14 avy amin’ ny firenena ‘’Québequoise ’’i Madagasikara, izay miompana amin’ny voka-dratsin’ny fiovaovan’ny toetr’ andro. Ny fitambaran’ ireo tetikasa ireo izay mitentina hatrany amin’ny 18 tapitrisa Euro.

Diaspora

Ny harivan’ny faha-22 jolay ihany koa no nihaonan’ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery tamin’ ireo diaspora Malagasy tao Novotel, Abidjan. Côte d’Ivoire izay faritra andrefan’i Afrika ahitana Malagasy maro. An-jatony izy ireo raha ny ao Abidjan manokana  no jerena, izay sady renivohitra ekonomika an’ I Côte d‘ Ivoire ihany koa.

 

Tovo Rakotondravony