23/09/2018

Hery Rajaonarimampianina : Noresahina tamin’ ny fivorian’ ny UA ny mikasika ny fifidianana

Ny marimarina kokoa dia ny filohan’ny kaomisionin’ny vondrona afrikanina sy ny kaomiseran’ny fandriam-pahalemana no anisan’ny noresahin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina mikasika ny zava-misy eto Madagasikara, indrindra ny fanomanana ny fifidianana ho avy. Marihina fa nandritra ny fivoriamben’ny vondrona afrikanina andiany faha-31 no nisian’ny fifampiresahana teo amin’ny filoham-pirenena malagasy sy ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny vondrona afrikanina. Nahitam-bokany noho izany ny fihaonana satria dia ny filohan’ny kaomisiona eo anivon’ ny vondrona afrikanina mihitsy no niantso ireo mpiara-miombon’antoka hanampy an’i Madagasikara amin’ny fanomanana ny fifidianana ho avy. Ankilany ny filoha afrikanina Tatsimo, Cyril Ramaphosa, izay miandraikitra ihany koa ny filohan’ ny SADC dia nilaza ny heviny mikasika ny tontolo politika eto Madagasikara. Nambarany tamin’izany ny mbola fisian’ireo hetsika maro samihafa ihany na dia efa nisy aza ny fifanarahana politika tontosa, zava-misy izay anisan’ny manaitra hoy hatrany ny filoham-pirenena afrikanina tatsimo nandritra ny fihaonana. Noho izany dia niantso ny tompon’andraikitra tsy ankanavaka ny tenany hitady vahaolana manoloana ny tranga, satria dia hisy ny fifidianana ho avy . Ny filoham-pirenena malagasy ankilany dia niarahaba ihany koa ny governemanta amin’ny ezaka vitany amin’ny famoahana ny datim-pifidianana, niantso ny tompon’andraikitra ambony noho izany ny filoha amin’ny tokony hanajana ny fisarahan’ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny lafin’ny fifidianana. Niantso ny minisitra rehetra ihany koa ny filoham-pirenena hampihatra ny lalàna sy ny fitsipika manoloana ireo izay mihoa-pefy.

Iratra Raitra