26/04/2018

Hery Rajaonarimampianina : Nanolotra 10 tapitrisa Ar ho an’ny IRC sy TFMA

Tontosa ny sabotsy 30 desambra teo ny lalao famaranana amin’ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga eo amin’ny taranja rugby, na ny « Top 9 » nifanandrinan’ny IRC sy ny TFM Ankasina. Fifaninanana izay teo ambany fiahian’ny filohan’ny Antenimieran-doholona, Rivo Rakotovao.
Tonga nanotrona izany, nisolo tena ny Filohan’ny Repoblika, Hery Rajaonarimampianina, tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, nanoloana ireo vahoaka marobe tonga nijery iny lalao famaranana iny, ny mpanolotsaina manokan’ny Filoham-pirenena, Mbola Rajaonah, niaraka tamin’ny minisitra eo anivon’ny Prezidansa misahana ny Tetikasan’ny Filoham-pirenena sy ny Fanajariana ny Tany ary ny Fampitaovana (M2PATE), Benjamina Ramanantsoa, ny minisitry ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Andriam-panjakana (MCRI), Harry Laurent Rahajason, ary ny minisitry ny Fanatanjahantena (MJS), Jean-Anicet Andriamosarisoa. Notronon’ny lehiben’ny Faritra Analamanga, Ndranto Rakotonanahary, sy ireo olo-manan-kaja maro.
Tamin’izany indrindra no nanoloran’ny Filoham-pirenena lelavola mitentina 10 tapitrisa Ar tamin’ny alalan’ireo olo-manan-kaja ambony nisolo tena azy tamin’izany tetsy Mahamasina ireo ekipa roa niatrika ny lalao famaranana. 6 tapitrisa Ar ho an’ny IRC izay tafavoaka ho mpandresy nanoloana ny TFM Ankasina, tamin’ny isa tery dia tery, 19 noho 17. Nahazo ny anjarany ihany koa ny TFM Ankasina izay mitentina 4 tapitrisa Ar. Tsy vitan’izay ihany fa nanolotra amboara sy fanamiana ho an’ireo mpilalao ihany koa ny Filoham-pirenena.
Porofo mivaingana azo tsapain-tanana amin’ny fijeren’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina manokana ireo tanora eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena izany. Voaporofo ihany koa fa akaikin’ireo mpitia fanatanjahantena ny Filohan’ny Repoblika. Tsy vitan’izay fa mihaino ny hetahetan’ireo tanora mpanao fanatanjahantena ihany koa, sns.
Marihina fa tao anatin’ny orana mikija no nizoran’iny lalao famaranan’ny « Top 9 » Analamanga iny, ary tsy nahasakana ireo olona marobe ho tonga teny Mahamasina anefa izany.

MN