18/11/2018

Hery Rajaonarimampianina : Nandray ireo Eveka afrika sy madagasikara ary alemana

Noraisin’ ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina omaly ny solontenan’ireo eveka katolika eo anivon’ ny kaonferansa episkopaly alemana sy ireo simposioma roa avy amin’ ny kaonferansa episkopaly Afrika sy Madagasikara ny marain’ ny 24 ny volana mey teny amin’ ny lapam-panjakana Iavoloha. Voalohan-tenin’ ny filoha Hery Rajaonarimampianina tamin’ izany ny fiarahabana ireo kristianina katolika malagasy manerana ny nosy, noho ny fahazoana ny kardinaly Désiré Tsarahazana taorian’ ny fanendrena ny Papa Ray Masina, ary teo ihany koa ny firarin-tsoa ho azy aleo ahalasana amin’ny andraikitra masina iandraiketany. Nandritra ny fihaonana ihany koa no nanambaran’ ny Filoham-pirenena tamin’ ireo eveka katolika ny hitondrana am-bavaka an’ i Madagasikara, indrindra amin’ izao lalan-tsarotra diavin’ ny firenena izao noho ny olana ara-politika. Marihina moa fa misy ny fiaraha- midinika izay tontosain’ny eveka katolika Afrika – Madagasikara sy ny eveka alemana mikasika ny lohahevitra hoe “ny maha olona sy ny fampandrosoana ny maha olona’’.

Iratra Raitra