12/12/2017

Hery Rajaonarimampianina : Feno 59 taona

Teraka ny 06 novambra 1958, tao Antsofinondry, Kaominina Sabotsy Namehana, ary nandalo ny fahazazana sy ny fahatanorana tao Antsofinkisoa. Mankalaza ny faha-59 taonany anio ny Filoham-pirenena Hery Martial Rajaonarimampianina. Zanak’olon-tsotra, ary manam-pahaizana manokana momba ny fitantanam-bola, izay nahazoany diplaoma manokana tany amin’ny Oniversiten’i Quebec à Trois Rivière, Canada rehefa avy nandrato fahazaina teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo.

Lany ho Filoham-pirenena, ary lasa Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ny tenany, ny 25 janoary 2014. Eny, fa na dia somary tara aza izy no niditra an-tsehatra teo amin’ny tontolo politika, izay nanomboka ny taona 2009, ka naha voatendry azy ho minisitry ny Vola sy ny Tetibola tamin’ny Fitondrana Tetezamita. Toerana izay nahatontosany tsara ny asa niantsorohany, ny adidy sy andraikitra sarotra ho an’ny firenena, ary nampisongadina azy ihany koa.

Mba ho fanamarihana amin’ny fivoahana tamin’ny krizy, dia nirotsan-kofidiana tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena izy, ary lany hitantana ny firenena teo amin’ny fihodinana faharoa. Maro ny ezaka vitany tamin’ny alalan’ireo tetikasa maro isan-tsokajiny sy isan-karazany. Tao anatin’ny fe-potoam-piasana iray, nahavita namerina an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Hery Rajaonarimampianina, ary nanome ho avy matotra ho an’ny vahoaka malagasy.

Noho izany, miaraka amin’ny vahoaka iray manontolo, izahay eto amin’ny Vondrona RLM Communication, misy ny gazety Triatra, La Ligne de Mire, La Dépêche de Madagascar, Le Citoyen, Akon’i Madagasikara, On Air Radio, La Chasse Info, AZ Radio/TV, sns, dia faly miarahaba anao andriamatoa Filoha Hery Rajaonarimampianina, nahatratra izao tsingerintaona nahaterahanao izao.

 

MN