12/11/2018

Hery Rajaonarimampianina any Londres : Nitsidika ny British Petroleum

Delegasionina voafantina tarihin’ ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ireo tompon’andraikitra voakasika mivantana amin’ny lafin’ny angovo, nahitana ny minisitry ny Angovo sy ny solika, ny harena an-kibon’ny tany, no nanatanteraka fitsidihana fampahalalana tao amin’ny British Petroleum manana ny foiben-toerany ao Londres afakomaly hariva . Ity orinasa ity, izay manana ny toerany goavana maneran-tany amin’ny sehatry ny  fitrandrahana solika, famokarana solika, fanadiovan-tsolika ary indrindra ny fitsinjarana izany .  Maneran-tany no iasan’ny orinasa nandritra ny fitsidihana no nampahafantaran’ity orinasa goavana ity ny zava-misy marina eo amin’izay fitrandrahana solika izay,  sehatra manana ny maha izy azy eo  amin’ny lafiny  ara-ekonomika ny firenena  iray, manomboka amin’ny fitrandrahana izany hatramin’ny fivarotana izany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Maro noho izany ny fanazavana azo ara-teknika eo amin’ny antanan-tohatra  manomboka amin’ny fitrandrahana sy ny fomba fiasa , na io amin’ny lafin’ny pétrole, na ihany koa entona.

Manana io harena io tokoa i Madagasikara raha ny sarintany ara-geolozika no jerena, indrindra ny tahirin-tsolika,  ny orinasa British petroleum ihany koa moa izay isan’ ireo kaompania 14 izay manao fikarohana amin’ny faritra maro. Ity fihaonana sy fitsidihana notanterahina ity ihany koa dia fitohizan’ny fitsidihana izay notanterahin’ny delegasionina notarihin’ny filoha lefitr’i afrika misahana ny fitrandrahana ny solika, Jasper Peijis ny volana Desambra farany teo. Io fitsidihana io, izay nampatsiahy ihany koa ny asa fitsirihana izay notanterahin’ny kaompania manodidina an’i Mahajanga.

Satria miankina betsaka amin’ny famokarana solika ny fiovaovam-bidin’ ny solika na ny “baril ’’eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena  izay ambany ny vidiny ankehitriny , dia nanamafy hatrany ny fanohizany  ny tetikasa izay tanterahiny eto Madagasikara ny kaompania.  Raha ny nambaran’ny minisi-panjakana misahana ny harena an-kibon’ny tany sy ny  solika , dia “ mety amintsika eto Madagasikara ny  maka ny solika mbola tsy voadio izay nahafahana nitazona ny vidin’ny solika teto Madagasikara. Saigy amin’ny fotoana izay hamokarantsika kosa, dia amin’ izay ny fiakaran’ny vidin-tsolika iraisam-pirenena indray no mety amin’i Madagasikara’’.

Nanamarika kosa ny minisitry ny  Angovo  manoloana ny vidin’ny gasoil ankehitriny, fa hojerena ny fomba famatsiana ny orinasa jirama manoloana ny zava-misy ankehitriny mba ahafahan’izy ireo manao ny fitsitsiana , ka hampiasa ny solika mavesatra . Ankehitriny tokoa mantsy hoy ny minisitra dia efa mivoatra ny fitaovana izay ho ampiasaina ary efa andalana ny hamokaran’ ity orinasam-panjakana ity herinatra hatrany amin’ny 60 megawatts.

 

Iratra Raitra