19/12/2018

Herisetra ao an-tokantrano : Misedra izany na lahy na ny vavy

Eto Madagasikara dia ny 30%-n’ny vehivavy eo anelanelan’ny 13 hatramin’ny 49 taona, no efa niharan’ny herisetra. Ny 19% amin’izy ireo anefa no tsy mahatsapa ho iharan’izany akory. Tsy herisetra ara-batana, toa ny fikasihan-tanana ihany akory no mihatra amin’ireo vehivavy ireo, fa marobe no miaina ireo karazana herisetra.

Marihina fa misy karazana efatra ny herisetra mihatra amin’ny vehivavy dia ny herisetra ara-tsaina, toa ny ompa, ny fandatsana, ny ozona, ny fanapempoana… Eo koa ny herisetra ara-nofo, toa ny fanolanana, ny fanerena hiray ara-nofo ao anaty fandrahonana, na fanambazana…Fa misy koa ny herisetra ara-bola toa ny tsy fanomezan’ny lehilahy karama, fitsoahana adidy ataon’ny raim-pianakaviana… ary ny herisetra ara-batana, toa ny vono sy daroka isan-karazany…Mitana ny laharana faharoa amin’ny herisetra iainan’ny vehivavy malagasy kosa ny herisetra ara-batana, raha ny herisetra ara-tsaina kosa no mitazona ny laharana voalohany, araka ny fanadihadiana natao. Efa mitovy lenta ny lahy sy ny vavy eo amin’izay resaka herisetra izay. Efa betsaka ireo lehilahy manantona ireny toeram-pihainoana na « Centre d’Ecoute et de Conseils Juridique » (CECJ) mitaraina noho ny herisetra mahazo azy. Ho an’ny etsy Tsimbazaza, 10 isan-jaton’ireo mpitaraina dia lehilahy avokoa, ary matetika ireo lehilahy velomina vehivavy no tonga eny. Izy ireo izay iharan’ny herisetra ara-tsaina. Fa misy koa ireo iharan’ny herisetra ara-batana, toa ny tranga niseho tany Andapa herinandro vitsy lasa izay. Raha tsiahivina, lehilahy iray maty novonoin’ny vadiny rehefa nosintoniny teo amin’ny maha-lehilahy.

Fa any amin’ny faritra be dahalo ihany koa, iharan’ny herisetra avy na lehilahy na vehivavy. Araka ny fanadihadiana nataon’ny Focus Development Association ny volana jolay 2017, tany Betroka, Ankazoabo, Morombe ary Iakora dia samy mitondra faisana ny lehilahy sy ny vehivavy mandritra ny fandalovan’ny dahalo. Herisetra ara-batana ny 3 isan-jaton’ny tranga miseho, raha ara-pisikolojia kosa ny be dia be, indrindra ho an’ny vehivavy izay somary adino ny fandraisana an-tanana azy ireo mandritra ny fandalovan’ny dahalo. Ireo mpitandro filaminana, izay variana amin’ny fanenjehana ireo dahalo. Ireo vehivavy izay manangona ny zanany rehefa mandeha ny fanafihana ka mandositra any anaty ala, ary amam-bolana any foana. Misy amin’ireo vehivavy izay matin’ny tazomoka raha misy kosa ireo teraka any anaty ala any, satria mbola tsy afaka miverina an-tanàna. “Nojerena ny trangana herisetra miseho mandritra ny fanafihana dahalo. Izany hoe, mialoha, mandritra ary aoriana fanafihana tany amin’ireo toerana ireo. Noeritreretina fa ny vehivavy no tena iharan’ny herisetra mandritra ny fandalovan’ny dahalo, fa rehefa tena nojerena dia samy iharany avokoa na lahy na vavy. Herisetra ara-batana no tena mahazo ny lehilahy, na io amin’ny alalan’ny ratra, na miafara amin’ny fahafatesana noho izy ireo manenjika dahalo miaraka amin’ny mpitandro filaminana”, hoy i Ravololomboahangy Olisoa, avy amin’ny Focus Development Association. Natao omaly teny Antaninarenina ny tatitra momba ny herisetra mifototra amin’ny miralenta tany amin’ireo toerana be dahalo. Nisy ny tolo-kevitra ara-toekarena, fa indrindra ny fandriam-pahalemana amin’ny tokony hanomezana fitaovana sahaza ny fahasarotan’ny asan’ireo mpitandro filaminana, toa ny fiara tsy mataho-dalana, angidimby… Misy koa ny tolo-kevitra ho an’ny mpamatsy vola sy ny minisiteran’ny Mponina, amin’ny tokony handraisana ireo olona ireo ohatra ny olona tratran’ny loza voajanahary, satria voatery mandao ny trano fonenana sy ny asa fivelomany izy ireo. Izany hoe, omena tohana ara-tsakafo.

Laurena Nany