16/07/2018

Herinandro afrikanina amin’ny fanaovam-baksiny : Zaza latsaky ny 5 taona maherin’ny 4 000 hatao vaksiny

Hotanterahina manomboka ny 23 aprily, ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 27 aprily 2018 izao ny herinandro afrikanina ho an’ny vaksiny andiany fahavalo sy ny fanamafisana ny vaksiny polio andiany faha-13 eto Madagasikara. Hatomboka amin’ny fomba ofisialy eny amin’ny HJRA ny 23 aprily ny hetsika, ary mpanao vaksiny maherin’ny 19 000 miampy mpanara-maso 6000 no haparitaka manerana ny Nosy mialohan’io fotoana io. Marihina fa i Madagasikara no nosafidiana hanombohana ity andiany faha-8 ity, ka vaksiny 5 300 000 no hozaraina manerana ny Nosy ho an’ireo zaza latsaky ny 5 taona 4 800 000 eo ho eo.”Nosafidiana manokana i Madagasikara amin’ny fanombohana ity andiany fahavalo ity, misy dikany goavana izany. Isika rahateo efa vonona ny dosie hahazoana ny “certification” hanamarinana ny tsy fisian’ny polio intsony eto Madagasikara”, hoy ny minisitra Pr Andriamanarivo Mamy Lalatiana, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly. Mbola nanentana ireo sekoly, ray aman-dreny hitondra ny zanany hanao vaksiny ny minisitra satria raha mbola misy tsy vita ireo zaza Malagasy, dia mety mbola hiverina ny lefakozatra na efa nahazo fanamarinana aza isika toa ny nitranga any ivelany. Lohahevitra entina amin’ity andiany fahavalo ity ny hoe : “Salama ny vahoaka vita vaksiny” sy ny “Ilaina ny fanaovana vaksiny, koa raiso ny andraikitrao”. Ho an’ny Fav Polio kosa dia hoe “ Hifanome tanana isika hamongotra ny polio, ataovy vaksiny ny zaza.”

Laurena Nany