17/08/2018

HCC sy ny OIF:MIFANOHANA AMIN’NY FANAMAFISANA NY FAHAIZA-MANAO

Mbola tafiditra tamin’ny fandraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia andiany faha-16, ny volana Novambra teo, izay fahombiazana tanteraka, notanterahina ny 15 Novambra hatramin’ny omaly, ny fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny andraikitra sahanin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana (HCC). Tamin’ny alalan’ny semineram-pifanakalozana no nanatanterahan’ity farany niaraka tamin’ny Organisation Internationale de la Francophonie (OIF) izany.

Raha ny fampitam-baovao dia nifototra tanteraka tamin’io fanamafisana ny fahaiza-manao io ny dinika. Teo ihany koa ny fanamafisana ny fanajana ny fitondrana sy tany tan-dalàna sy ny demokrasia eto Madagasikara. Anisan’ny hetsika tafiditra indrindra tamin’ny fanirian’ny sekretera jeneralin’ny OIF ny amin’ny tokony hanohanana sy hitondran’ny OIF hetsika fanampiana ireo andrim-panjakana isan-tokony eto Madagasikara. Voalaza mantsy fa mbola marefo ny fanajana ny lalàna eto amintsika ary mbola tsy tafapetraka sy mahazo laka ny fampiharana ny demokrasia.

Etsy andaniny, voalaza fa manaraka sy manohana hatrany ny OIF hatramin’iny taona 2017 iny amin’ny fametrahana ny fitsarana lalàm-panorenana mahomby izay antoky ny fitoniana sy ny fampandrosoana. Manaraka izany, ho fanoitra lehibe amin’ny fandrindrana ny lalàna amin’ireo andraikitry ny andrim-panjakana.

Ankoatra izay, nitarika ny fivoriana sady fifanakalozana kosa ny filohan’ny HCC, Jean-Eric Rakotoarisoa niaraka tamin’ireo manam-pahaizana vahiny roa, ny profesora Théodore Holo, filohan’ny fitsarana ny lalàm-panorenana any Bénin, sy ny profesora Jean du Bois Gaudusson, filoha ambonin’ny Oniversitén’i Bordeaux IV Montesquieu.

 

MN