19/12/2018

HCC : Difotry ny kolikoly

Tsy mbola nandray fanapahan-kevitra amin’ny maha Fitsarana Avo azy mihitsy ny HCC, izany hoe mpampihatra ny lalàna, hatramin’izay naha filohan’ity andrim-panjakana ity an’i Jean Eric Rakotoarisoa. Difotry ny kolikoly avo lenta tanteraka ny HCC ary tsy azo antoka intsony…

Nambaran’ny HCC fa tsy nahafeno fepetra ny folo tamin’ireo kandidà 36 nanatitra antontan-taratasy teny Ambohidahy ka tsy nekena ho isan’ireo handray anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny faha-7 Novambra ho avy izao. Tsy misy miady hevitra manoloana io fanapahan-kevitra noraisin’ny HCC momba ireto kandidà miisa folo ireto io, izany mihitsy no andraikitr’ity andrim-panjakana ity saingy mitanila ary miendrika kolikoly avo lenta.

Amin’ny maha Fitsarana ny HCC dia ny fampiharana ny lalàna an-tsakany sy an-davany no andraikiny. Tsy izany anefa no zava-misy ary mampametra-panontaniana hoe: “mbola azo antoka ve ity andrim-panjakana ity?”.
Mazava be ao amin’ny Satan’ny Vondrona Afrikana, andininy faha-25 toko faha-efatra fa “tsy mahazo mandray anjara amina fikarakarana fifidianana ho famerenana ny demôkrasia, tsy mahazo milatsaka ho fidiana rahateo koa ary tsy mahazo mitàna andraikitra amina toerana politika ao amin’ny taniny izay rehetra nanongam-panjakana”. Firenena 30 be izao no nanao sonia ity Satan’ny Vondrona Afrikana ity ka isan’izany i Madagasikara ary mbola nanamafy ny fankatoavany io lalàna iraisam-pirenena io ny fanjakana Malagasy ny faha-31 Janoary 2014 ary tafapetraka ara-dalàna tany Addis-Abeba ny faha-13 Aprily 2017.

Niara-nanaiky ny fanonganam-panjakana nataon’i Andry Rajoelina ny taona 2009 avokoa ny Vondrona Eoropena sy ny Vondrona Afrikana ary ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena. Nahoana no tsy nampiharin’ny HCC io andininy faha-25 toko faha-4 voalazan’ny Satan’ny Vondrona Afrikana io izay nosoniavin’ny fanjakana Malagasy? Amin’ny fomba ahoana no ahafahana hino ity andrim-panjakana ity raha lalàna iraisam-pirenena izao aza sahin-dry Jean Eric Rakotoarisoa, mpampianatra lalàna ny zanaka Malagasy eny amin’ny oniversite ny manitsakitsaka azy?
Efa nambara teto amin’ny gazety ihany fa mandrakizay iny “ni…ni” tamin’ny taona 2013 nisakana ny filatsahan-kofidian’i Andry Rajoelina iny eo anatrehan’ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena na dia tsy miditra mivantana amin’ny raharahan-tokatranon’i Madagasikara aza izy ireo. Izany hoe, ny faneken’ny HCC ny filatsahan-kofidian’i Andry Rajoelina dia midika ho fampidirana anaty kizo ny firenena satria olona voasazy maneran-tany izany mpanongam-panjakana izany. Saingy difotry ny kolikoly avo lenta moa ny HCC koa tsy nampaninona an’i Jean Eric Rakotoarisoa ny nanaiky ny filatsahan-kofidiana mpanongam-panjakana nanome vahana ny fanondranana “bois de rose” sy ny fandrobana (26 Janoary 2009) teto nandritra ny dimy taona.