19/10/2018

Hasarota-piaro diso tafahoatra : Nokapain’ilay rangahy tamin’ny antsibe ny vadiny

Habibiana tsy roa aman-tany no niafaran’ny adin’ny mpivady niseho tany Mazavalagnitra, kaominina ambanivohitr’i Maroharatra, distrikan’Ifanadiana ny harivan’ny sabotsy lasa teo. Diana zava-maranitra miisa efatra teo amin’ny faritry ny lohany , ny hatony ary ny lamosiny no namalian’ilay rangahy ny vady andefimandriny tamin’izany. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana, dia resaka hasarota-piaro no niandohan’ny disadisa teo amin’izy roa. Rehefa tsy nahazaka izany sy nentim-po diso tafahoatra ilay lehilahy izay voalaza fa efa mamon-drongony, dia nandray ilay antsibe tsy am-pihambahambana ary nikapa ilay renim-pianakaviana avy hatrany. Nofirainy tamin’io zava-maranitra io ny valanoranon’ilay ramatoa havia sy ny hatony. Niantefa teo amin’ny lamosiny kosa ireo dian’antsy roa ambiny. Nandriaka ny rà ary nianjera tamin’ny tany avy hatrany ilay niharan-doza taorian’izay. Nitari-dositra nitsoaka noho ny tahotra ny hatezeram-bahoaka kosa ilay lehilahy vantany vao naheno ny vadiny niantso vonjy. Nentina namonjy toeram-pitsaboana avy hatrany moa io vehivavy io ary raha ny fantatra, dia mbola miady amin’ny fahafatesana ny tenany amin’izao fotoana izao. Araka ny loharanom-baovao ihany koa, dia fantatra fa nisafidy ny hanapitra ny andro iainany ary hita faty teny amoron-dalana ilay raim-pianakaviana nahavanon-doza, izay nanenina mafy sy nieritreritra fa maty noho ny tsy fisainany ny vadiny.

Mialy R.