20/07/2018

Halatra taolam-paty : Fisolokiana avo lenta no ao ambadika

Mirongatra ny halatra taolam-paty eto Madagasikara, ary saika isan-kerinandro dia handrenesam-peo foana izany. Mijanona ho mi stery hoan’ny olon-drehetra anefa ny tena ilana ny taolambalon’ireo maty, izay heverina fa mbola tena manana ny hasiny tokoa amintsika Malagasy. Ny fandalinana bebe kokoa mahakasika ity tranga iray ity no nahafantarana fa fisolokiana goavana sy avo lenta no ao ambadik’ireny vaky fasana sy taolam-paty very etsy sy eroa, izay voalaza fa vidiana lafo dia lafo.
Maro no mbola mametra-panontaniana ny amin’ny zavatra vita sy azo avy amin’ny taolam-paty, ka mampirongatra ny vaky fasana, na eto an-drenivohitra, na any amin’ny faritra. Samy manana ny filazany ny olona, saingy raha ny feo mandeha sy miverimberina dia toa hoe hanaovana ranomanitra sy ranomena izy ireny. Tamin’ny alalan’ny fanadihadiana lalina natao teo anivon’ny zandarimariam-pirenena, izay matetika mandray an-tanana ny raharaha tahaka izao anefa, dia fantatra ary efa voaporofo mihitsy fa famitahana olona tsotra izao sy fisolokiana avo lenta no fonosin’ireny feo mandeha rehetra ireny, fa tena ahavitan-javatra maro, ary hifampitadiavana mafy ny taolam-paty. “Tsy hanaovana na inona na inona ny taolam-paty, fa entina hisolokiana mpandraharaha fotsiny. Olona roa mifankahalala tsara, saingy mody tsy mifankahafantatra no hiantombohan’izany”, hoy ny nambaran’ny kaomanda Herilalatiana Andrianarisaona, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny zandarimariam-pirenena.
Nolazainy fa ireo olona mpiray tsikombakomba ireo no miara-miasa sy mikaon-doha, ary manao izay fomba rehetra ahafahana mifandray sy mifanakaiky bebe kokoa amin’ilay mpanam-bola izay ho petahana , mba ahafahana mandrabiraby sy manjono ary mampiditra resaka, avy eo fa ahazoam-bola be ny famarotana taolam-paty. Rehefa hitan’ireo mpisoloky fa mifandray tsara ny tadin-dokanga eo aminy sy eo amin’ilay mpanefoefo dia ampidiriny tsikelikely ny resaka fa maha-tafita ny “bizina” taolam-paty, ary maro no efa tafita sy lasa “miliardera”. Tsy taitra sy tsy rototra ireo olon-dratsy mandresy lahatra sy manosika ilay mpandraharaha hiditra ao anatin’io fitadiavam-bola izay lazain’izy ireo fa mampanan-karena tampoka io. “Eritrereto ihany fa betsaka no efa tafita ka sao dia mba hanao ianao fa izaho mahita olona fakana taolana any”, isan’ireo teny fampiasan’ireo mpamitaka, raha ny nambaran’ny kaomanda Herilalatiana .
Fikirakirana vola be
Rehefa liana sy manontany amin’izay ilay mpanambola, dia eo no ilazany fa roa tapitrisa Ariary ny taonina , ary lafo hatrany amin’ny zato tapitrisa Ariary izany rehefa amidy avy eo, mba ahafahana mandrabiraby azy. Izany hoe hahazoana tombony be dia be . Mba ahafahan’ilay mpisoloky mandresy lahatra ihany koa, dia mody mikirakira vola be eo imason’ilay mpandraharaha ihany koa izy . Amin’ny voalohany, dia mety mijanona ho resaka manidintsidina fotsiny izany, saingy mbola arahin’ ilay olon-dratsy fahaiza-miresaka hatrany, ka mirona tsikelikely any ny sain’ilay olona. Eo ihany koa no miditra an-tsehatra ilay olona mpisoloky fanindroany, izay mody milaza fa misy olona mitady taolam-paty alefa any ivelany any, ka vidiany amin’ny sarany lafo dia lafo, sy mihoatra lavitra tamin’ny fifampiresahana. Mody mampiasa olona mahay miteny vahiny amin’ny alalan’ny antso amin’ny finday izy ireo mba hanaporofoana, fa tena misy olona hividy tokoa ireo taolambalo. Mody tsy miaraka mihitsy ireo olona roa ireo, saingy mifampiresaka any ambadika any. Misy ny resaka “bizina” maromaro aroson’ilay mpisoloky eo, ka raikitra ihany ny ady varotra avy eo.
Maka ampaham-bola
Rehefa vita ny fifanarahana, dia mangataka “avance” na ampaham-bola tapaka ny roa tonta, ka rehefa azo ny entana vao fenoana izany. Mandeha mampaniraka olon-kafa, izay sahirana ara-pivelomana, na tonta kely hamaky fasana amin’izay ireo mpisoloky avy eo, izay karamaina tsy mihoatra ny efatra hetsy, mba ahafahana maka ny ambim-bola . Rehefa azo ny vola izay natakalo ireo taolam-paty avy nangalarina, dia efa tsy azo an-telefaonina intsony ilay olona, na vahiny voalaza fa handray ny entana. Izay no mahatonga ireny taolam-paty amin’ny gony, na sakaosy hita any anaty rano na eny amoron-dalana , na any anaty tatatra ireny, satria dia arian’ilay olona voafitaka noho ny tahotra ho tratran’ny mpitandro filaminana, raha ny nambaran’ity tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ity ihany. Nohamafisin’ity tompon’andraikitra ity ihany koa, fa dia resaka fisolokiana avokoa no ambadik’ireny “bizina mercure” , na lakolosy izay isan’ny tena lasibatry ny halatra ireny, ka tsy tokony ho mailo ny rehetra. Nolazain’ity farany, fa raha tena hifampitadiavana sy ilaina tokoa ny taolam-paty, dia mety efa nandrenesana trangana fahatrarana izany tany anaty fiaramanidina, na sambo.

Mialy R.