16/11/2018

Hajo Andrianainarivelo : Notsipahan-dRajoelina

Efa nampoizina ary efa nosoratana teto amin’ny gazety fa tsy afaka hiara-dia na oviana mihitsy izany Andry Rajoelina sy Hajo Andrianainarivelo izany satria samy te ho lohany. Fandrebirebena saim-bahoaka daholo ireny fihetsiketsehana ivelany nasehon’ny ARMADA ireny dia izao noporofoin’ny lahatsoratra navoakan’ny Jeune Afrique farany teo.

Efa fantatra fa tsy mila izany fifampidinihana sy fifampiresahana eo anivon’ny ARMADA izany i Andry Rajoelina, mpanompony avokoa ny fiheverany ireo mpanao politika mivondrona ao anatin’ny ARMADA, manomboka amin’i Hajo Andrianainarivelo, Jean Louis Robinson, Camille Vital, sns. Tsy maintsy izy tenany, Andry Rajoelina, no kandidà amin’ny fifidianana filoha-pirenena, izay tsy manaiky izany dia afaka mandeha manohy ny lalany. Efa nitranga izany ny taona 2013, vao nilatsaka ho kandidà i Hajo Andrianainarivelo dia velona ny fanenjehana mahery vaika sy ny fingampingana nataon’ny ekipan’i Andry Rajoelina, tahaka ny nanjo an’i Camille Vital.

Ny zava-misy anefa dia notsipahan’i Andry Rajoelina indray i Hajo Andrianainarivelo. Raha nihevitra ny ARMADA fa handrotsaka kandidà tokana mivoaka avy amin’ny alalan’ny dinika dia tsy izay velively ny zava-misy, nivoaka ivelan’izay fifanarahana izay i Andry Rajoelina ary anisan’ny nanohina mafy ny filohan’ny MMM. “…Nous allons aussi nous appuyer sur la plateforme de l’Alliance républicaine de Madagascar (Armada), qui a donné des résultats encourageant lors des élections communales de 2015. Les différents partis signataires se sont tous engagés à se ranger derrière l’unique candidat désigné par cette plateforme. À commencer par Andry Rajoelina». Nokianin’i Hajo Andrianainarivelo mafy tokoa ny filohan’ny HAT, niverina hatrany amin’ny taona 2009 mihitsy aza ny tafa nifanaovany tamin’ny Jeune Afrique, araka izao ampahan-dahatsoratra izao: «…Je pense qu’il (Andry Rajoelina) a compris la leçon. Lorsqu’il a été mis en première ligne, en 2009, il n’a pas osé aller jusqu’au bout. Or, quand on veut changer les choses, il faut oser. Aujourd’hui, nous parlons d’égal à égal, entre chefs de partis… ».
Raha fintinina ao anatin’ny teny fohy, ny ARMADA dia fivondronan’ireo mpanao politika resy tamin’ny fifidianana ary nahita loza tamin’i Andry Rajoelina avokoa. Hatramin’ny galonan’ny jeneraly Camille Vital aza moa nolatsainy tamin’izany fotoana, navoakan’i Andry Rajoelina hatramin’ny tsiambaratelo fikasàna hamono an’i Marc Ravalomanana.