25/04/2018

Hain-trano teny 67ha : Trano 14 kilan’ny afo

Tsy nisy noraisina fa lasa tapa-porohana avokoa ny entana rehetra tao an-trano. Velon-taraina araka izany ireto mponina eny amin’ny faritra 67ha Atsimo noho ny fahaverezam-pananana sy trano fonenana nandritry ity hain-trano niseho ny zoma 13 Aprily. Araka ny fanazavan’ireo nanatri-maso dia tokony ho tamin’ny 7 ora hariva tany ho any no nirehetan’ny afo. Trano hazo teo amin’ny manodidina ihany araka ny fampitam-baovao no nipoiran’ny afo ka nitarika ny famaizana trano miisa 14 teny an-toerana, izay voalazan’ireo nanatri-maso fa tsy nisy olona tao amin’io trano nipoiran’ny afo io, fa raha ny fantatra dia nahandro sakafo ireo olona tao amin’ny trano hazo ka nivoaka nividy zavatra izy ireo no nirehitra ny trano. Tsy nisy norasina avokoa na kely aza ny entana tao amin’ireo traboina satria samy nanavotra ny ainy avokoa ireo olona nanoloana ny tranga ka tsy naharay na dia sotro iray aza, hoy hatrany ny fanazavan’ilay renim-pianakaviana iray isan’ny very fananana noho ny hain-trano. Araka izany dia niezaka namono ny afo ireo olona teny an-toerana nanoloana ity loza ity. Nanano sarotra ihany koa araka izany ny fidiran’ireo sampana mpamonjy voina tao an-toerana noho izy any anaty tanàna, izay voalaza fa ora iray taorian’ny tranga vao nigadona teny an-toerana izy ireo. Voavonjy avokoa araka ny loharanom-bavao ireo olona tao anatin’ireo trano niharan-doza ireo, ka tsy nisy ny namoy ny ainy na dia sarotra aza ny namono ny afo nandritra izany.

Valérie R.