19/10/2018

Habibiana tsy roa aman-tany : Raim-pianakaviana maty nokapain-janany tamin’ny famaky

Habibiana tsy roa aman-tany indray no nitranga tany Ambovomavo, distrikan’i Marovoay omaly maraina. Raim-pianakaviana iray no maty tsy tra-drano rehefa nokapain-janany tamin’ny famaky teo amin’ny faritry ny lohany. Araka ny loharanom-baovao, dia resaka vola 3000 Ariary izay nananan’ity nahavanon-doza ity, io nahitany masoandro io no niandohan’izao vonoan’olona izao. Nitaky ny volany ity zanany, ka rehefa nilaza ny tsy mbola manana hanoloana izany ity rangahy ity, dia sorena ilay tovolahy ary izao nikapa ny lohan-drainy tamin’ny zava-maranitra izao. Nijininika ny rà, ary niafara tamin’ny fahafatesan’ilay raim-pianakaviana teo no noho eo ny voina nahazo azy. Araka ny voalaza ihany koa, dia efa mamon-drongony ity nahavanon-doza ity ka izay no isany nahavitany izao fahotana mahafaty izao.Tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo olona izay nitangorona teo an-toerana moa, dia mbola hita nitsatoka teo amin’ny handrin’ity namoy ny ainy ny famaky namonoana azy. Nosamborin’ireo fokonolona izay vonton-katezerana avy hatrany io tovolahy io, ary efa saika nodoran’izy ireo velona saingy nosakanan’ny olobe teo an-tanàna. Noho izany, dia nentina nanaovana fanadihadiana tany amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana ity farany. Raha ny fantatra ihany koa, dia natolotra ny fampanoavana io omaly io ihany ny raharaha, ary nadoboka am-ponja vonjimaika avy hatrany ity nahavanon-doza ity taorian’izay.

Mialy R.