16/11/2018

Governemanta “Tetezamita” : Mampanjaka ny gaboraraka

Raha toa ka tamin’ny Fitondrana Tetezamita no tena nahitana sy niainan’ny firenena tao anatin’ny gaboraraka tanteraka, miverina indray izany amin’izao fotoana hatramin’ny nitsanganan’ny governemanta vaovao na governemanta Tetezamita, izay tarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian.

Porofon’izany, miverina indray, ary manjaka ny fitsaram-bahoaka. Vao tsy ela akory mantsy izay, izany hoe, ny alarobia 24 oktobra teo no nisian’ny fitsaram-bahoaka, ka nahafatesana polisy telo tao Fenoarivo Atsinanana. Toraka izany koa ny fitakian’ny mponin’Andapa amin’ny fanaovana fitsaram-bahoaka ilay mpangala-jaza namono nahafaty ireo zaza roa voalaza fa very ka tratran’ny zandary, ny alarobia lasa teo ihany. Manampy izany ny tao Vavatenina, mbola fitakian’ny fokonolona fanaovana fitsaram-bahoaka ilay mpanao fanafihana iray tratran’ny zandary ihany koa tao amin’ny tanàna iray atao hoe Sahivo…

Ankoatra izay, mirongatra izay tsy izy ihany koa ny fangalarana taolam-paty. Ny talata teo, ohatra, taolam-paty an’arivo isa no indray sarona tao Ambato Boeny, izay tombanan’ny zandary ho razana 92 eo ho eo ny fitambaran’ireo taolam-paty tratra tanaty gony ireo…

Tsy vitan’izay, fa mirongatra ihany koa ankehitriny ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena, toa ny sokatra. Amin’izao fotoana, sokatra miisa 7 347 indray no indray sarona tao amin’ny Kaomina Tongobory, distrikan’Ampanihy. Tsapa fa niakatra ny isan’ireo sokatra nanaovana trafika tato ho ato satria tany aloha mbola 1.187 no tratra.

Ny tena goavana sy mamotika ary mandatsaka an-davaka ny firenena ny fiparitahan’ny vola sandoka amin’izao fotoana izao. Re indray mantsy fa vola sandoka mitentina hatrany amin’ny 616 600 000 Ar no tra-tehaky ny zandary, ny faran’ny herinandro teo, ka nisamborana ireo olona 16 voarohirohy ho tompon’antoka.
Manginy fotsiny ny kidnapping miseholany eto amin’ny firenena hatramin’ny nijoroan’ity governemanta “Tetezamita” ity.

Izany rehetra izany, dia manaporofo avy hatrany fa mampanjaka ny gaboraraka ity governemanta “Tetezamita” ity. Sombiny amin’ny andavanandrom-piainan’ny vahoaka sy ny firenena ihany ireo.
Raha toa mantsy ka ny hiantoka amin’ny fikarakarana ny fifidianana sy ny fampandehanan-draharaham-pirenena no andraikitra nanirahana io governemanta Ntsay Christian io, ny mifanohitra amin’izay no mitranga, satria dia lasa fanaovana “business” na “bizna” ilay fitantanana Fanjakana ankehitriny. Tsy misy fitsinjovana ny vahoaka, tsy misy fijerena ny tombontsoan’ny firenena fa dia revo amina tombontsoan’ny tena manokana ny governemanta.

MN