24/04/2018

Frankôfônia : Nitarika ny fakan-kevitra tamin’ireo minisitry ny Raharaham-bahiny ny minisitra Henry Rabary-Njaka

Niaraka tamin’ny sekretera jeneralin’ny Frankôfônia Michaëlle Jean. Nitarika ny fakan-kevitra tamin’ireo minisitry ny raharaham-bahiny avy amin’ireo firenena mikambana ao anatin’ny Frankôfônia,  ny minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy, Henry Rabary-Njaka izay sady filoha amperin’asan’ny « Conférence ministérielle de la francophonie ». Hetsika izay notanterahina omaly tany New-York , ary niainga tamin’ny lohahevitra : « Fiarovana sy fampandrosna ao anatin’ny tahalan’ny frankôfôna miray », izay tohin’ny fihaonana an-tampony notanterahina teto Antananarivo. Manodidina ny 30 ireo minisitra, na mpiandraikitra  ny frankôfonia nandray anjara tamin’izany izay niombon-kevitra fa tsy misy ny fampandrosoana rehefa tsy misy ny fandriam-pahalemana, ary tsy misy ihany koa ny fandriam-pahalemana raha tsy misy ny fampandrosoana. « Olana goavana ny sehatry ny fandriam-pahalemana eran-tany, satria izy no miantoka ny fahasambaran’ny mponina sy ny fampandrosoana ny firenena », araka ny lahatenin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny Malagasy, raha nanamarika ny fahavononan’ny governemanta frankôfôna amin’ny fametrahana ny fandriam-pahalemana amin’ny tahalan’ny frankôfônia. « Maika ny fiheverana ny taranaka ankehitriny sy  ho avy, ary ny fijerentsika ho avy mamiratra amin’ny tontolon’ny fiarahamonina frankôfônia… Raha mbola mitoetra ny tsy fandriam-pahalemana dia tandindomin-doza  ireo efa hananantsika sy ny fahafahantsika miroso amin’ny fampandrosona. Mila mampitsahatra izany miaraka isika », hoy hatrany ny lehiben’ny diplômasia Malagasy. Nomarihiny ihany koa fa « Manana andraikitra amin’ny ezaka atao ho an’ireo taranaka ho avy isika amin’ny fanafoanana ny fahantrana sy fametrahana fampandrosoana voatsinjara. Tsy adidy fotsiny io andraikitra io amin’ny fampivelarana ny mponina ao anatiny, ary taratry ny frankôfônia ». Niombon-kevitra tamin’izany ny sekretera Jeneralin’ny Frankôfônia, Michaëlle Jean , ary nanamarika fa « tandindomin-doza isika, voakasika izany isika rehetra. Misandrahaka n’aiza n’aiza ny akon’ny fampihorohoroana. Mandray ny andraikiny ny Frankôfônia, ary nataony izany tamin’ny fametrahana ny fandriam-pahalemana sy ny fiarovana iraisam-pirenena ». Nanamarika ihany koa izy fa « mipetraka ho fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fandraisan’andraikitry ny rehetra fa efa tsy mitombina intsony  ny miolonolona. Nitarika ny lalàna isika raha misy amin’ireo firenena sasany no mbola miezaka ny miolonolona ». Niainga avy amin’ny toromariky ny filoha Hery Rajaonarimampianina, nanamafy ny andraikitra ara-toekerana tokony ho raisin’ny Frankôfonia, ny minisitra Henry Rabary-Njaka. Nanolotra soso-kevitra ny hisian’ny fihaonana ara-toe-karen’ny frankôfona eto Antananarivo ihany koa izy mialohan’ ny fihaonana an-tampony atao any Arménia.

 

Miarantsoa