15/12/2018

Fomba amam-panao : Tsy kolontsaina malagasy ny fandoroana razana

Amin’ny ankapobeny, ny finoana malagasy dia mametraka fa mitohy hatrany ny fifandraisana eo amin’ny olona efa maty sy ny mbola velona miriaria ety ambonin’ny tany. Antony iray hanatanterahana ny famadihana, rehefa misy ireo taranaka na akaikin’ny maty manonofy fa mitaraina mangatsiaka ilay maty.

Na dia fomba karana aza, efa misy ihany koa amin’izao fotoana ireo Malagasy miroso amin’ny fandoroana razana, ary antony maro no mety mahatonga izany. Ny ankamaroan’ireny anefa dia noho ny hafatry ny maty. “Karana no ankabeazan’ny olona dorana eto, fa misy ihany koa ireo teratany vahiny niasa sy nonina teto Madagasikara, ka ny lavenony no alefa miverina any amin’ny firenena niaviany sy omena ny fianakaviana”, araka ny fanazavan’i Bonaventure, lehilahy tompon’andraikitra amin’ny toerana fandoroana razana etsy Anosizato. Toa ny amin’ny fandevenana ihany, dia misy ireo antontan-taratasy karakarain’ny fianakaviana mialoha ny handorana ny razana. Misy eny an-toerana ireo polisy manara-maso izany. “Tsy maintsy hamarinina ny antotan-taratasy rehetra, ary hamarinina ihany koa fa tena ilay olona marina no dorana eto fa tsy zavatra hafa”, araka ny fanamarihan’ny polisy mpanara-maso eny an-toerana. “Manomboka amin’ny fahatongavan’ny razana eto ny fanaraha-maso ka hatramin’ny famehezana sy ny fametrahana ireo marika tsy ahafahana manokatra ilay boaty any amin’ny kaonsila na any amin’ny ambasady”, hoy hatrany izy. Io polisy io ihany koa no manao ny fitanana an-tsoratra ny zava-mitranga rehetra.

Ora vitsivitsy alohan’ny ahatongavan’ny razana dia efa miomana amin’ny kojakoja ilaina amin’ny fandoroana i Bonaventure. Amin’ny ankapobeny dia kitay na hazo lehibe mirefy 2m, ary manana habeny 20sm amin’ny 20sm milanja 1 taonina eo no ampiasaina amin’ny fandoroana razana iray. Alahatra mifanongoa ireo kitay ireo, ka dimy an-dalana miala amin’ny tany no hametrahana ny razana. Toa ireny mandevina ireny dia anjaran’ny fianakaviana no mametraka ny razana eo afovoan’io kitay io amin’ny toerana efa natokana amin’izany. Aorian’izay dia mbola afaka manatanteraka izay fombafombany ireo fianakaviana. “Esorina izay lamba nitondran’izy ireo ny razana, fa izay akanjo eny an-kodiny ihany no dorana miaraka aminy. Raha tian’ny fianakaviana ho dorana ny fitaovana sy ny kojakoja entiny dia dorana manokana fa tsy ampiarahana amin’ny razana”, hoy ihany ny fanazavany. Rehefa voarakotra kitay indray eo ambonin’ny razana, dia miroso amin’ny fandoroana. Mba hampirehitra tsara ny kitay, dia misy ny menaka, izay menaka fanendasana amin’ny boaty vy fotsy, ampiasaina amin’ny kitay. Maharitra eo amin’ny ora iray sy sasany eo ho eo ny fandoroana raha ankizy, ary ora roa na ora telo kosa ny olon-dehibe araka ny habeny. Tsy toa ny mandrehitra kitay tsotra anefa ny fandrehetana io kitay io fa misy ny paikady izay efa hain’ity tompon’andraikitra ity. Bozaka no andrehetana ny afo voalohany, dia miampita amin’ny kitay kely izay vao mahazo ireo hazo be mandoro ny razana.

Araka ny fanazavany hatrany dia mihetsika ny razana rehefa ao anatin’ny fandoroana. “Tsy mihetsika toa ny velona akory fa arakaraka ny fomba nahafatesan’ilay olona dia atsotran’ireo fianakaviana izy, ka ny fiverenany nahitsy amin’ny laoniny no mampihetsika ny razana”, hoy hatrany ny fanazavany.

Araka ny fomba karana dia tsy maintsy toerana manakaiky rano, ary rano mandeha ny toerana misy ny fandoroana razana. “Mifamono nefa mifameno eo amin’ny fiainan’ny olona ny rano, ary tsy afa-misaraka amin’ny zanak’olombelona”, araka ny fanamarihana nentin’i Bonaventure ihany.

Aorian’ny ora vitsivitsy dia lavenona sisa no hita amin’ilay efitrano manokana natokana ho fandorana ny razana. Eo dia i Bonaventure ihany no mandroaka ny lavenona, ka manavaka ny lavenon’ny kiray nandorana sy ny lavenon’ilay olona. “Ny lavenon’ny taolan’ny olona no raofina aorian’izay. Izay lavenona fotsofotsy no an’ny olona fa ny mainty dia ireo kitay”, hoy hatrany ny fanazavany. Efa misy koa eny an-toerana iray manao ny fitadiavany amin’ny fivarotana vata kely hitehirizana izany lavenona izany.

Miarantsoa

Ny hevitr’izy ireo…

Mompera Ravelonjatovo Vincent de Paul

Mifanohitra tanteraka amin’ny finoana kristianina ny fandoroana ny faty. Tempolin’Andriamanitra ny tenan’olombelona ka tsy tokony ho simbasimbaina. Ny lo ao am-pasana aza efa tsy fidiny. Misy koa anefa ireo tsy afa-manoatra toa ireo maty any an-tany lavitra, ka voatery tsy maintsy dorana noho ny fahalafosan’ny fitondrana razana. Tsy mifanohitra velively amin’ny finoana kristianina ny fomba malagasy, ary ao anatin’izany ny famadihana. Ireo fiangonana taty aoriana no mitondra sy mametraka fomba vaovao izay fangalana tahaka be fahatany ny ataon’ireo any am-pitan-dranomasina. Tsarovy fa ao amin’ny Baiboly dia mitantara ny famindrana ireo razana egipsiana tamin’ny fifindra-monina nihatra tamin’izy ireo.

Rabarisolonirina Yves Lucien, Mpampianatra mpikaroka, mpandinika ny fiarahamonina

Ho anay mpandinika ny fiarahamonina, ny malagasy dia miaina ao anatin’ny kolontsaina maroloko, miaina amin’ny fomba malagasy, misy ireo mahazo ny kolontsaina avy any ivelany. Misy koa ireo tarihin’ny kolontsaina hafa. Ny fiarahamonina no manova olona. Ny fiarahamonina malagasy dia tsy manana kolontsaina amin’izao fotoana. Misy ny kolontsaina fa tsy ampianarina sy tsy ampiasaina. Ny sekoly no sehatra tsara indrindra fampitana ny kolontsaina ka any no tokony hampianarana azy. Ny kolontsaina no maha-olombelona amin’ny firenena iray. Raha matanjaka ireo kolontsaina maroloko avy any ivelany dia tsy misy intsony ny maha-malagasy ny malagasy. Tokony hampiharina noho izany ny fiverenana tsikelikely amin’ny kolontsaina tena Malagasy. Kolontsaintsika malagasy ny famadihana. Fatra-panaja ny razana sy ny ray aman-dreny ny malagasy. Ao anatin’ny kolontsain’ny fanajana ny fahatsapana fa tsy tonga amin’ny toerana misy azy ny olona iray raha tsy io ray aman-dreny io. Noho izany na maty aza, dia ataoko maso voatototany, ary mahatsiaro azy foana aho. Ny malagasy dia mino fa mitahy ny razana, izay lafiny ara-panahy io. Io fanahy io dia mipetraka amintsika. Ny Malagasy rehefa andeha handevina, tsy manao hoe « adieu » na fa « veloma » izay azo adika hoe « soyez en vie » na ho velona. Ho an’ny Malagasy ny olona iray dia ny vatana no simba fa ny fanahy mbola mahita.
Ny fanahy no olona. Ny fiarahamonina malagasy dia mino ny fanahin’ny ray aman-dreny. Na maty aza izy ireny, dia tsy avela ho very ny taolambalony fa arovana sy fonosina anaty lamba. Tsy fanompoana razana ny famadihana fa fanajana. Jereo ny egipsiana izay manao izay hitehirizana ny razana. Toa izany koa ny fanajakan’ireo sovietika an’i Lenine izay hajain’izy ireo fatratra.
Ny fandoroana faty dia tranga maneho ny kolontsaina avy any ivelany.Tsy fanaontsika ny fandoroana razana.

Hemerson Andrianetrazafy, mpanakanto, mpandalina ny maha-malagasy

Safidy toa ny safidy rehetra ny fandoroana faty ary manaraka ny fomban’olombelona. Marina fa tsy fomba gasy io, nefa manana safidy ny tompony. Mipetraka ihany koa ny fanontaniana amin’izao fotoana hoe: mbola ilaina ve ny mitahiry taolambalo, nefa isika efa manao ny fandrazanana ho fanompoan-tsampy ? Efa ho tsiaro fotsiny sisa atsy ho atsy ny famadihana izay fomba sy kolontsaina nampiavaka ny Malagasy. Izaho manokana dia tena Gasy zato isan-jato. Raha ny sitrako aza dia asitrika an-dakamena to ireo razako.