23/10/2018

Foiben’i Hery Vaovao : Notokanana omaly

Notokanana omaly maraina ny foiben’ny kandidà Hery vaovaon’i Madagasikara, etsy Andraharo. Natao handrindran’ny kandidàn’ny antoko Hery Vaovao ny fampielezan-kevitra sy ny serasera mahakasika izany ity foibe ity. Mahazaka olona hatrany amin’ ny 250 ny efitrano, ary ahitana efitra voatokana fandraisana olona. Izany hoe misy ny efitrano fikirakirana ny lafin’ny informatika, fandraisana vahiny ary ny trano hitafana amin’ ny mpanao gazety. Tsy fanokanana birao foibe ihany anefa no notanterahina omaly, fa nisy ihany koa ny fangataham-pitahiana nitsofan-drano ny kandidà Hery Rajaonarimampianina mitondra ny laharana faha-12. Ankoatra izay, ny maraina dia nitafa tamin’ ny mpianatry ny INSCAE ny filoha Hery Rajaonarimampianina mikasika ny fisandratana 2030. Nambarany tamin’izany fa ny toe-tsaina no mila miova voalohany mba ahafahana misandratra, miakatra, mivelatra amin’ny fahatsarana sy fampandrosoana. Ankoatra izay dia nambaran’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ihany koa fa « mitohy hatrany ny fisandratana, n’inona n’inona vokatry ny fifidianana filoham-pirenena ho avy ».

Iratra Raitra