12/12/2017

Fivoriambe fahadimy UE – UA : Ny famoronan’asa ho an’ny tanora no vahaolana

« Ny fametrahana politika mazava momba ny fambolena, ny fizahantany, ny teknolojia vaovao, ary ny fampianarana sy fanofanana arak’asa ihany koa no isan’ny vahaolana ho an’ny tanora, Madagasikara rahateo manana tany malalaka azo ambolena » hoy ny filoham-pirenena malagasy Hery Rajaonarimampianina nandritra ny famaranana ny fihaonana an-tampony fahadimin’ny vondrona afrikanina sy ny eoropeanina tatsy Abidjan-Cote d’Ivoire . «Manana anjara toerana amin’ny hampandrosoana an’izao tontolo izao, noho ny fananany ireo tanora ampahefany manerantany i Afrika, ary efa miova ihany koa ny fomba fijeriny » hoy ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Nanamafy  hatrany noho izany  ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina  fa ny ny sehatry ny fambolena no hanarenana ny firenena sy hamoronana asa ho an’ny tanora, satria  ny 80% ny Malagasy rahateo dia tantsaha avokoa.  Manoloana ireo rehetra ireo dia nisy fihainoana ny hevitr’ireo tanora afrikana sy eoropeanina miisa 36, mikasika ny olana mianjady amin’izy ireo nanolona ireo filoham-panjakana  83 nanatrika . Isany vahaolana naroson’ny filohan’ny repoblika Malagasy Hery Rajaonarimampianina ny fametrahana fotodrafitrasa ho an’ireo tanora ao amin’ny toerana izay niaviany  fa tsy any amin’ny toerana izay izay hitsoahan’ izy ireo .

Tombontsoa maro tokoa noho izany no  azo amin’ny fanatrehana fihaonana an-tampony  tahaka ity tany Cote d’Ivoire ity, satria dia anisan’ny nahazoana  famatsiam-bola 234 tapitrisa Euros avy amin’ny vondrona eoropeanina sy banky eoropeanina ho an’ny fampandrosoana izany. « Tokony hafainganina ny  famoahana ny famatsiam-bola avy  amin’ireo mpmatsy vola tahaka ny an’ny  vondrona eoropeanina , ary mila hamaivanina ny kipitsopitsony madinika amin’ny ahazoana izany » hoy ny filoham-pirenena raha namaly mahakasika ny fanambaran’ny filoha frantsay Emmanuel Macron  hoe « tsy misy intsony ny politika manokana apetrak’i Lafrantsa any Afrika ». Nandritra ny fivoriambe ihany, dia nisy ny  fihaonana manokana teo amin’ny filoha ivoriana Allasane Ouattara, ny filoha Sénégalais Macky Sall, ny filoha Frantsay Emmanuel Macron, ny filoha Burkinabe Roch Marc Christian Kaboré, ny Praiminisitra maorisiana Pravind Jugnauth.

Tsy nisy rahateo  ny fehin-kevitra, na fanambarana natao tamin’ izao fihaonana an-tampony faha-05 ny vondrona afrikana sy vondrona eoropeanina izao,  satria tsy nisy marimaritra iraisana momba ny fahataperan’ny fifanarahana cotonou, na accord de cotonou izay hisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny vondrona eoropeanina sy ACP – Afrika, Caraibe, Pacifique izay ho tapitra amin’ny taona 2020.

 

 

Iratra Raitra