20/01/2018

Fivadiham-pitokisana : Lehilahy iray nidoboka am-ponja

Mahazo vahana indray tato ho ato ny resaka fanararaotana amin’ny resaka halatra. Lasa toerana fialokalofan’ireny mpanao ratsy ankehitriny ny asa aman’olona toa ny asan-trano sy mpiandry tanàna ireny. Efa maro no lasibatra tamin’izany karazana fisolokiana izany, ary rehefa hitany fa mametraka fitokisana aminy amin’izay ny mpampiasa azy dia manatanteraka ny asa ratsiny amin’izay izy ireo.
Toy ity tranga halatra tao anaty toeram-pivarotana iray tetsy Alasora ity, lehilahy iray irakiraka manodidina ny 30taona eo ho eo no miasa eny an-toerana no voarohirohy tamin’izany fivadiham-pitokisana miaro fisolokiana izany. Tamin’ny talata lasa teo no nitrangan’izany tetsy Alasora. Rehefa nametrahan’ny mpampiasa azy fitokisana izy ka navelany nivarotra ny entana teo nandritry ny fotoana tsy nahateo azy tontolo andro. Resaka niverina anefa dia nolazain’ilay mpanampy azy io fa very avokoa ny ampahan’ny vola lafo rehetra teo an-tsena. Tsy nanaiky izany fahaverezam-bola tao an-tsenany anefa ilay tompon’ny fivarotana, ka nametraka avy hatrany azy ho tompon’antoka voalohany tamin’izany. Voaporofo tamin’izany fa tsy nisy olona tafiditra mihitsy tao amin’ilay tsena raha naneho ny fiarovan-tena tamin’ny alalan’ny filazana izy, fa nisy ankizy maromaro niditra tao amin’ilay tsena tamin’ny fotoana tsy nahateo azy, ka tsy fantatra izay nangalatra ireo vola. Raha ny tombatombana tamin’izany dia vola mitentina 500000 Ariary eo ho eo no indray tsy hita tamin’izany. Taorian’izay dia voatery tsy maintsy nametraka ny fitoriana azy mihitsy ilay mpampiasa azy, ka noraisim-potsiny teny amin’ny trano fonenany teny an-toerana ihany ity tovolahy ity. Anisan’ny nanenjehana azy ihany koa ny fikasany handositra tamin’io raharaha io.
Omaly no natolotra ny fampanoavana izy taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’ny polisy azy. Tamin’ny famotorana azy dia nitsipaka tanteraka ho tsy nanao izany halatra tamin’ny mpampiasa azy izany ity lehilahy irakiraka ity. Manoloana izany anefa dia nanamafy ny mpitory, izay very vola fa tsy nisy afa-tsy izy ihany no ahiana nanao izany halatra miaro fanararaotana izany, ka nadoboka am-ponja vonjimaika.

Valérie R.