16/12/2018

Fitsaram-bahoaka tany Fianarantsoa : Mpianatra maromaro nalaina am-bavany

Ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka mahakasika ny famonoana ilay rangahy be tany Andrainjato Fianarantsoa ireo polisy any an-toerana amin’izao fotoana izao. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny kaomisaria ao Fianarantsoa, dia natomboka tamin’ireo mpianatra tao amin’ny oniversite , izay faritra nisehoan’ity tranga ity ny famotorana. Maro izy ireo no niatrika ny mpanao fanadihadiana tamin’izany. Miankina amin’ny adina am-bava na ny fanomezam-baovao avy amin’ireto farany indray no hihitaran’izany any amin’ireo olon-tsotra izay nanatri-maso ny zava-nisy. Araka ny loharanom-baovao ihany, dia mbola tsy fantatra mihitsy hatreto ny tena nanana sain-dratsy hanala ny ain’io ray aman-dreny be io, satria dia samy manana ny filazany avokoa ny rehetra. Mbola tsy voamarina noho izany fa mpianatra eo anivon’ity ivon-toeram-pampianarana ambony ity ilay tena tompon’antoka tamin’ny fandatsahana ny ain’ity lehilahy efa nahazo taona, izay voalaza fa nangalatra ary tratra am-bodiomby ity. “Eo am-panangonana ny vaovao rehetra mahakasika ity raharaha ity izahay, ary tsy maintsy miafara amin’ny fahitana ny marina ny fanadihadiana”, hoy ny voalaza. Vantany vao nandeha teny amin’ny manodidina tokoa mantsy ny feo fa maty ity rangahy nozerana vato be teo amin’ny lohany ity, dia nanjavona ary tsy hita popoka ilay lehilahy izay isan’ny lohandohan’ny mpisorona tamin’ny fanaovana izany. Mbola mijanona ho misitery ihany koa hatreto ny zavatra nangalarin’io niharan-doza io, satria na ny polisy aza dia tsy mahafantatra ny mahakasika izany. Niteraka resa-be sy fanehoan-kevitra maro, ary hatezerana tamin’ireo mpampiasa tambazotran-tserasera ny fahitana ny sary niparitaka tany anaty pejy “facebook” naneho ny zava-nisy. Andrasana araka izany ny tohin’ity raharaha izay isany mahaliana ireo mpanara-baovao ity.

Mialy R.