16/12/2018

Fitsan-drahana tsy ara-dalana tany Ambanja : Olona 55 natolotra ny fampanoavana

Noho ny korontana nateraky ny fisian’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna tany Andapa, Distrikan’Ambanja, tamin’iny herinandro lasa iny, dia nisy ny fisamborana nataon’ny zandary sy ireo tompon’andraikitra any an-toerana. Olona miisa 55 no indray nanaovana fanadihadiana tamin’izany, ka vehivavy ny efatra tamin’izy ireo. Natolotra ny fampanoavana omaly alakamisy avokoa izy ireo, taorian’ny adina am-bava. 47 no isan’ny voasambotra tany am-boalohany saingy noho ny famotorana lalina sy ny fikarohana natao, dia tafakatra 55 izy ireo. Raha tsiahivina ny zava-niseho, dia tonga teo amin’ny toerana iray misy vato sarobidy ny andian’olona maromaro, izay mpiavy avokoa, ka nitrandraka avy hatrany ny tany nisy izany, izay tsy azy ireo akory. Tezitra noho izay fihetsika izay ny tompon-tany, ka nampandre ireo tompon’andraikitra tany an-toerana. Niditra an-tsehatra tamin’ny fandaminana ny raharaha ireto farany taorian’izay. ”Nomena fotoana ireo olona ireo hiala teo amin’io tany io, ary tsy hitrandraka izany intsony. Ny 24 jolay lasa teo anefa, dia mbola naheno indray ireo tompon’andraikitra fa nisy korontana sy disadisa tany amin’ilay toerana fitrandrahana, ka izay no anton’ny fisamborana”, hoy ny fanamarinam-baovao voaray. Niafara tamin’ny fandoroan’ireo mpitrandraka ny trano maromaro izay nisy ny tompon-trano moa ny sakoroka, ary nandositra izy ireo avy eo. Soa fa tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra vokatr’izany. Samy nandray an-tanana ity raharaha ity daholo moa na ny zandary na ny polisy any Ambanja. Nambenana ihany koa io toerana fitrandrahana io taorian’ny fisamborana , mba hialana amin’ny mety hisian’ny olona vaovao hitrandraka izany indray. Tao aorian’ny nanolorana azy ireo teo anatrehan’ny fampanoavana, dia nadoboka am-ponja vonjimaika avokoa izy 55 ireo.

 

Mialy R.