22/09/2018

Fitrandrahana harena an-kibon’ny tany : NY FITONDRANA TETEZAMITA NO NAMPANJAKA NY GABORARAKA

Novidiana toa ny mividy hena eny an-tsena ny fahazoan-dalana mitrandraka harena an-kibon’ny tany nandritra ny fotoana nitondran’ny filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina. Mahatratra 800 eo ho eo ireo fahazoan-dalana niparitaka, izay mahatratra 93% an’ireo fahazoan-dalana nomena hatramin’ity  taona 2016 ity. Gaboraraka tanteraka, anisan’ny lesoka goavana ihany koa anefa ny tsy fisian’ny fanavaozana ny fehezan-dalàna mikasika ny harena an-kibon’ny tany hatrizay, izay hita taratra anefa fa tsy mba nitondra tombontsoa ho an’ny firenena mihitsy. Nanomboka tamin’ny taona 2014 no namolavolàna ny fehezan-dalàna vaovao mahakasika ny harena an-kibon’ny tany, ary ho alefa eny anivon’ny parlemanta amin’ny fivoriana ara-potoana izay hotanterahina manomboka amin’ny volana May izao, raha ny fanazavana nentin’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany , Zafilahy  Ying Vah…

Triatra (TR) : Nihato tanteraka ny fanomezana fahazoan-dalana ho amin’ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany tao anatin’ny 6 taona izao, Avy aiza kosa ireo olana mipoitra etsy sy eroa mahakasika ny fitrandrahana ankehitriny, ary taiza ireo fahazoan-dalana ?

Zafilahy Ying  Vah (ZY) : « Nihato tanteraka ny fanomezana fahazoan-dalana hitrandraka ny harena an-kibon’ny tany taorian’ny toromarika nomen’ny sehatra iraisam-pirenena nandritra ny fitondrana Tetezamita izay. Nialohan’io fotoana nitenenan’ny vondrona iraisam-pirenena io anefa, ny 18 Marsa 2009 hatramin’ny 24 Janoary 2014 dia manodidina ny 800 ireo fahazoan-dalana nisy nividy, nifanenjehana ,na dia ao ary ireo tsy manana traikefa ho amin’ny fitrandrahana Harena an-kibon’ny tany akory. Misy ireo fahazoan-dalana efa tamin’ny taona 2007 ohatra, saingy izao kosa ireo mpitrandraka vao tena mampiasa azy ireny. Tao ireo nisy nivarotra fahazoan-dalana amin’ireo mpanam-bola. Tsy olana ny fitrandrahana saingy tokony apetraka mazava kosa ny tombontsoa ho an’ny mponina eny hifotony hisorohana ny olana toa ny amin’izao fotoana izao. Anisan’ny teboka iray lehibe hilana fanavaozana ny fehezan-dalàna ny harena an-kibon’ny tany ankehitriny.»

TR : Inona no tena lesoka ao anatin’ny fehezan-dalàna mahakasika ny harena an-kibon’ny tany, mahatonga ny fandrafetana azy ho ao anatin’ny fotoana lava dia lava ?

ZY : « Ny taona 2014 no efa nanombohana ny famolavolana ny fehezan-dalana mahakasika ny harena an-kibon’ny tany. Tsy manome lanja ny tombontsoa tokony hiditra ho an’ny firenena ny fehezan-dalàna misy ankehitriny, mahatonga ny korontana etsy sy eroa. Ohatra amin’izany ireo fe-potoana ahazoana mitrandraka ao anatin’ny fahazoan-dalana ho 40 taona be izao. Tsy voatery mandany 40 taona anefa ny olona iray raha toa ka kelikely ny toerana hitrandrahany. Eo ihany koa ny fahafahan’ny mpitrandraka madinika iray mahazo tany hatramin’ny 1 000 hekitara hitrandrahana. Ny orinasa Ambatovy anefa zara raha mampiasa tany 20 kilometatra toradroa amin’ny fampiasam-bola 8 Miliara dolara Amerikanina. Tokony hisy ny famerana ireo rehetra ireo, ahafahana mifehy ny olana. »

TR : Mahakasika ireo orinasa lehibe manao ny fitrandrahana ankehitriny, aiza ho aiza ny mahakasika ireo tamberim-bidy ?      

ZY :  « Fahazoan-dalana mitrandraka manodidina ny 4.000 ankehitriny no mifamezivezy any, zara raha ny roa amin’izy ireo anefa hatramin’izao no nahitana fiantraikany mivantana  eo anivon’ny fiainam-bahoaka sy ho an’ny kitapombolam-panjakana.  Ambatovy sy ny QMM aloha hatramin’izao no ahazoana ireo tamberimbidy lehibe entina hampandrosoana eny hifotony. Ny an’i QMM izao, izay hiaraha-mahita ny fampandrosoana nentiny any amin’ny faritra Anosy ao amin’ny distrikan’i Tolagnaro. Ny ao Ambatovy kosa izay efa mivonona ny hametraka fotodrafitrasa goavana ho fampandrosoana ny renivohitr’iToamasina,  ary efa mandeha izao ireo fanadihadiana ahafantarana ny tena ilain’ireo mponina, ka hampiasana ireo vola tamberimbidin’ny orinasa Ambatovy. Tanjona ny fikatsahana ny fampandrosoana ny firenena , ka vokatra mivaingana no ilaina ary efa misy ny fanaraha-maso izay hataon’ny Minisitera, ary samy tokony ahatsapa tena ho tompon’andraikitra ny tsirairay ho amin’izany, amin’ny fiarovana ny harem-pirenena, ka hitakiana mazava ireo zo tokony ho sitrahan’ny mponina eny hifotony vokatry ny fitrandrahana ataon’ny mpandraharaha iray.»            

TR : Tsy manefa ara-dalàna amin’ny tokony ho izy ireo tamberim-bidy ve izany ireo mpitrandraka sasany ?

ZY : « Malagasy ny ankamaroan’ireo manana fahazoan-dalana, misy amin’izy ireo anefa no tsy miasa sy mitrandraka akory. Maro an’ isa izy ireny no mivarotra ireo fahazoan-dalana amin’ireo vahiny mpanam-bola, antony mahatonga ny rohirohy ankehitriny. Misy ihany ireo mandoa ny hetra sy ny tamberimbidy saingy tsy mifanaraka amin’ny fitrandrahana ataon’ireo mpitrandraka eny hifotony akory. Misy ireo milaza fa mandoa ireo tamberimbidy, rehefa atao anefa ny fanadihadiana, tsy hita niditra ao amin’ny Kaominina akory ireo vola. Misy ihany koa ireo manao fanambarana diso mahakasika ny vokatra mivoaka eny amin’ny toerana hanaovana ny fitrandrahana ka hilana fandraisana andraikitra. »

TR : Inona kosa no fepetra raisin’ny minisitera manoloana ireo gaboraraka ?         

ZY : « Teboka telo lehibe no ezahina apetraka amin’ity taona ity satria tokony hampandroso tanteraka ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ho an’i Madagasikara.  Voalohany amin’izany ny fampidirina ao amin’ny sehatra manara-dalàna ireo mpitrandraka maro izay manodidina ny 1 000 000 any ho any. Hilàna fanaraha-maso akaiky, amin’ny alalan’ny fanomezana azy ireo ny karatra ho famantarana. Tsy ho vitan’ny fanomezana karatra fotsiny anefa ny ahatafiditra azy ireo amin’izay sehatra matihanina izay fa hilana fepetra hentitra  amin’ny alalan’ny fanaraha-maso akaiky. Hilana fanamafisana ny fanaraha-maso eny hifotony, ireo vokatra mivoaka sy ireo vola miditra ho an’ny kaominina sy ny kitapom-bolam-panjakana izay hilana fiaraha-miasa amin’ireo vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefàna. »

TR : Ety am-pamaranana ary, eo amin’ny lafi-pampandrosoana amin’ny ankapobeny, manao ahoana ny fijerinao ny raharaham-pirenena ankehitriny ?

ZY : « Niaraha-mahita ny ezaka vita tamin’ny alalan’ireo fihaonam-be maro izay nahazoana fiaraha-miasa maro tamin’ireo mpamatsy vola sy mampiasa vola. Maro ny asa vita ary maro koa no mbola hotanterahina. Maro anefa ireo tsy mahay mijery afa-tsy amin’ny lafy ratsiny ihany, tsy hoe tsy hilaina akory ny fanakianana, fa tokony ho fanakianana mitondra ho amin’ny fanarenana sy fanatsarana, mba tsy ho fitenenana be fahatany fotsiny. Niaraha-naheno ny kabary nataon’ny filoham-pirenena nandritra ny fifampiharabana teny Iavoloha ny amin’ny hanamafisana ny asa atao. Tsy atomboka akory ireo asa fa hamafisina kosa. Samy manana ny fijeriny ny rehetra saingy tsy azo atao ambanin-javatra kosa ny ezaka vitan’ny fanjakana, toa ny  fijerena ny lafin’ny fanabeazana, ny fanomezana ny vatsin’ankohonana sy ny fananganana ireo fotodrafitrasa goavana maro natao ho tombontsoan’ny olom-pirenena tsirairay izay tsy nataon’ny fitondram-panjakana ho ambanin-javatra. Mahavelom-panantenana ny mahakasika ny ho avin’ny firenena malagasy, vokatra no andrasana amin’ny alalan’ireo asa tanterahina. Efa tafapetraka tanteraka ihany koa ankehitriny ny fahatokisan’ireo vondrona iraisam-pirenena ny fitondrana malagasy. Hilana fijery lavitra mitondra ho amin’ny fampandrosoana maharitra hirosoana ho amin’ny fampandrosoana. »

N.I