15/12/2018

Fitiliana aretina otisma tao Antsirabe : Ny 80 isan-jaton’ny zaza nahitana ny soritra aretina

Ao anatin’ny hetsika fitetezam-paritra tanteraka ny fikambanana “Autisme Madagascar” amin’izao fotoana izao, ho fampahafantarana sy ny fanentanana ny mponina amin’ny aretina otisma. Taorian’i Toamasina sy Moramanga dia tany Antsirabe indray ny ekipan’ny “Autisme Madagascar”, ny alatsinainy 9 aprily teo, izay tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny volan’ny otista. Ankoatra ny fampirantiana nataon’ny fikambanana amin’ny fampahafantarana ny aretina dia nisy ihany koa ny fitiliana natao ireo zaza ahiana ho otista. Tsikaritra fa ny 80 isan-jaton’ireo zaza 45 isa natao fitiliana dia nahitana ny soritra aretina avokoa, araka ny fanamarihan’ny mpandrindra ny fikambanana. Fantatra ihany koa fa miteraka olana ho an’ireo Ray aman-dreny manana zaza otista ny fitaizana indrindra, raha eo anivon’ny fiarahamonina. Izany hoe, voahilika amin’ny fifandraisana eo amin’ny fiaraha-monina ireo zaza manana kilema satria tsy misy ankizy feno mety hiara-hilalao amin’izy ireo. Izay indrindra moa no antony fitetezam-paritra ataon’ny fikambanana, miaraka amin’ny lohahevitra hoe, “Fantaro ny autisme, dia meteza ho eo amin’ny toeranay”. Izany hoe misy anjara andraikitry ny tsirairay amin’ny fampahafantarana ny otisma sy ny fanajana ny zon’ireo zaza otista sy ny fianakaviany. Ny fetezana eo amin’ny toeran’izy ireo dia mba ahafahana mandroso hatrany amin’ny tolona izay atao. Ny otisma moa dia fikorontanana toe-tsainan’ny olona. Voasokajy ho aretina fa amin’ny fihetsika sy toe-tenan’ny olona no tena miseho. Ny 20 aprily ho avy izao moa no hifarana eny amin’ny zaridaina Antaninarenina, ny fankalazana ny andro manerantany ho an’ny otista, raha natomboka ny 2 aprily lasa teo. Any Mahajanga kosa ny fampahafantarana manaraka dia ny 14 aprily izao.

Laurena Nany