18/11/2018

Fitakian’ny mpampianatra : Lasa sorona ny fanabeazana

Mitokona tsy mety hiverina hampianatra ny mpampianatra, izay milaza fa manao fitakiana hafa indray eny amin’ny EPP Antanimbarinandriana. Taorian’ny fitakiana naharitra iray volana mahery teny amin’ny kianjan’ny 13 Mai tarihin’ny sendikan’ny mpampianatra, dia fantatra fa mitokona eny amin’ny EPP Antanimbarinandriana indray nanomboka ny alakamisy lasa teo. Azo lazaina ho lasa miendrika politika ihany ny zavatra kononkononin’ireto mpampianatra ankehitriny, izay hita fa mitady hanao sorona ny fampianarana. Efa niantso ny hisian’ny fitoniana avokoa ireo rehetra mahatsiaro voatohintohina amin’ity fitokonan’ny mpampianatra ity, indrindra fa ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, saingy milaza indray ireto farany fa mitaky ny zony. Ny mahagaga manoloana ny raharaha anefa dia hita ho tsy mahatsiaro fahatongavan-tsaina, sy tsy mba mitsinjo ny ankizy malagasy mihitsy ireo mpampianatra mampikatso ny fampianarana ireto, izay heverina ho misy ambadika politika kasain’izy ireto havoitra amin’izao toe-javatra asehony izao. Lasa sorona noho ny ady fitakiana ny tombontsoan’olom-bitsy ny mpianatra malagasy, isan’ny voakasika amin’izany ireo mpianatra any amin’ny sekoly tsy miankina, satria dia nianatra ara-dalàna, ary maharaka ny fandaharam-pianarana izao voahelingelina izao. Nahitana fiantraikany mivantana maro ny fitakiana ataon’ny mpampianatra, ary efa mandeha ila tokoa izy ireo amin’izao satria dia efa manomboka tsy misy mihaino intsony. Betsaka ny sekolim-panjakana no mbola tsy niverina nianatra noho io fitokonana io, teo ihany ny fihemoran’ny adina fanatanjahantena, izay ahiana hiafara amin’ny taona fotsy mihitsy. Mikatso araka izany ny eo amin’ny lafin’ny fampianarana, ary tsy mety misy ny fitoniana eo amin’ny sendikan’ny mpampianatra, izay misy akony betsaka any amin’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana.

Valérie R.