21/11/2018

Fisotroan-dronono : Hanamaivana ireo zokiolona ny fifanarahan’ny banky sy ny Cnaps

Tranga matetika miseho eo amin’ny fiarahamonina ny fahitana ireo zokiolona efa misotro ronono, milahatra eny amin’ireo toerana fandoavam-bola amin’ny fisotroan-dronono na dia efa mitaky aza ny taona. Hanamaivana ireo zokilona amin’ny fandraisana ny fisotroan-dronono ny fifanarahana eo amin’ny banky sy ny Cnaps. Tontosa omaly tetsy Ampefiloha ny fifanarahana teo amin’ny tahiry ho an’ny ara-tsosialy (Cnaps) sy ny bni Madagasikara. Miainga amin’izany fifanarahana izany dia nohavaozina ny fitsinjarana ireo fanohanana ara-tsosialy ataon’ny cnaps ary ao anatin’izany ny fisotroan-dronono. Mamaritra ny fifanarahana fa azon’ireo mpandray fisotroan-dronono, indrindra ny avy amin’ny sehatra tsy miankina, ny mampiasa ny tolotra « Pack mitsinjo », ka hananan’izy ireo kaonty ahafahana mampifandray izany amin’ny fandraisam-bola amin’ny finday, ka ny Mvola no voafaritra ao anatin’ny fifanarahana. Azon’izy ireo atao koa anefa ny manao kaonty tahiry izay mety ahazoan’izy ireo tombony na zana-bola. Toa izany koa ny fahafahana mindram-bola hatramin’ny 8 tapitrisa Ariary izay averina ao anatin’ny 6 ka hatramin’ny 24 volana.
Nahazo tolotra manokana avy amin’io fifanarahana io ihany koa ny mpiasan’ny Cnaps.
Nanao sonia izany fifanarahana izany ny Tale Jeneralin’ny Cnaps Raoul Arizaka Rabekoto sy ny tale Jeneralin’ny Bni Madagascar, Alexandre Mey.

Miarantsoa