25/09/2018

Fisolokiana ho mpivarotra fiara : Mpivady naka vola hatramin’ny 32 tapitrisa

Voasambotra avokoa ireo rehetra tompon’antoka tamin’ny fisolokiana amin’ny filazana ho mpivarotra fiara, ankoatra ny tena atidoha mikotrika izany. Nahazo vahana tao ho ao ity fisolokiana avo lenta ity, raha efa tapitra nandalo teo anivon’ny fampanoavana avokoa izy ireo taorian’ny fitoriana voaray. Mpivady hafa indray no fantatra fa tra-tehaka tany Antsirabe taorian’ny fikarohana azy ireo tamin’ny fandraisana ny vola mitentina 32 tapitrisa Ariary vidin’ny fiara, nefa tsy misy izany akory. Fantatra tamin’izany mantsy fa teto an-drenivohitra no nahatratrarana ireo mpanao izany afera izany, izay iray petsapetsa tamin’ireto mpivady. Olona maro hoy ny fampitam-baovao no efa voasoloky vola an-tapitrisany tamin’io resaka fividianana fiara tsy mitombina io, izay voalaza fa miainga any Toamasina ny foiben’ izany. Nolazain’izy ireo nandritry ny fifanarahana fa fotoana no andrasana dia ho tonga izany fiara nafarana izany, ka tsy maintsy ho raisina mialoha ny vola andefasana ny kaomandy any an-toerana. Narirariran’izy roa ireo foana ny olona izay nahalasa vola taorian’ny fifanarahana, ka nanomboka niahiahy amin’ny mety tsy fahamarinan’ny varotra. Nitory azy ireo avy hatrany tamin’izany ireo olona lasibatry ny fanambakana miaro fandraikiraikena ireo rehefa niandry izany amam-bolana, ka naneho ny tsy fahatokisany azy mivady ireto, voamarina tamin’izany tokoa fa endrika fisolokiana no nentin’izy ireo nandrisihana olona maro tamin’io. Tsy hita popoka intsony izy ireo, ary niala teto an-toerana rehefa nidina mivantana nanao ny fisavana ny tranony ny mpitandro filaminana. Nanomboka nanao savahao mihitsy izy ireo noho ny firongatry ny fisolokiana mateti-pitranga hanatrarana ireo mpisoloky efa hikoizana ireto, izay mpikambana anatin’ny tambazotra iray mpanao io endrika fisolokiana milaza ho matafavoaka fiara any amin’ny “Port” Toamasina ity ihany. Iray volana taorian’ny fikarohana araka izany vao nahitam-bokany ny fikarohana, ka tratra niriaria tany Antsirabe ireto farany ny alatsinainy lasa teo. Noraisim-potsiny tany an-toerana izy ireo ka nentina natao fanadihadiana taorian’izay. Nandritry ny fanadihadiana azy ireo tamin’izany ihany koa no nahazoam-baovao fa misy ny tena atidoha amin’ity asa ratsy ity, izay mbola karohina fatratra ihany koa. Natolotra ny fampanoavana izy mivady ireo taorian’ny nitazomana azy teny amin’ny biraon’ny polisy nisahana ny raharaha. Nandritry ny fakana am-bavany azy ireo moa dia fantatra fa ilay rangahy no nidoboka am-ponja, raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ilay vehivavy taorian’ny famotorana azy ireo.

Valérie R.