19/10/2018

Fisolokiana amin’ny Mvola : Mpivarotra merikiora iray no lasibatra

Notanana am-ponja vonjimaika ireo roalahy tra-tehaka nisoloky tamin’ny filazana fa mpividy merikiora, rehefa avy nalaina am-bavany teny anivon’ny fampanoavana, omaly. Tamin’ny loharanom-baovao araka izany no nahazoana tatitra mahakasika ny fisian’ity fisolokiana avo lenta ity, izay lehilahy mpivarotra ilay merikiora no voasoloky tamin’ny fandefasam-bola tamin’ny alalan’ny Mvola. Tonga nametraka fitoriana ireo roalahy tompon’antoka tamin’ny fisolokiana teny amin’ny biraon’ny polisy tetsy Tsaralalàna araka izany ity lehilahy voasoloky. Izay ny talata 1 mey lasa teo no nahavoazan’ny fandrekiraikena ity nilaza azy ho mpivarotra, rehefa voasolokin’ireto mpividy merikiora, teny Itaosy. Araka ny fampitam-baovao no nahazoana tatitra fa rangahy iray voalaza fa mpanera no isan’ny nanondro azy ireo ny misy ity lehilahy nivarotra ny entana. Raikitra tamin’izany ny fifanarahana ka nahatapaka ny teti-bidin’ity merikiora iray litatra, izay mitentina ho 6 tapitrisa Ariary. Tamin’izany no nilazan’ireto farany fa halefa amin’ny alalan’ny fandefasam-bola Mvola io vola vidiny io, ka naharaisana hafatra fohy milaza fa tonga ny vola. Zavatra hafa anefa no nitranga taorian’izay noho ny tonga haka ny vola teny amin’ny toeram-pandefasam-bola ity farany, voalaza fa niharan’ny fisolokiana izy. Izay fisolokiana efa avo lenta raha ny fanazavana no nataon’ireo mpisoloky nandrekiraikena ity mpivarotra, ary efa maro no lasibatra tamin’izany, isan’izany ihany koa ilay rangahy voalaza fa mpanera azy ireo, izay nandefasan’izy ireo vola 1 tapitrisa Ariary tamin’ny hafatra fohy. Nametraka fitoriana teny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana tetsy Tsaralalàna tamin’izany ireto voasoloky, raha mbola naharay fampandrenesana fa ny namany akaiky azy ihany no hivarotan’ireo roalahy nisoloky azy ny merikiora. Nanaovan’ny mpitandro filaminana vela-pandrika indray ireto mpisoloky, izay nantsoina ary nolazaina tamin’izany fa olona hividy merikiora izy ireo, tamin’izany no nahavoasambotra azy ireo teny Faravohitra. Nandritry ny famotorana taorian’izay, dia nitondra fanazavana ny avy eo anivon’ny telma izay isan’ny tambazotra voantonontona manoloana ity raharaha fisolokiana ity, izay nanamafy fa mbola tsy afaka handefasana volabe toa ity nataon’ireto mpisoloky ny Mvola.

Valérie R.