22/09/2018

Firenena Rosianina : Nanamafy ny fiaraha-miasany amin’ny zandarimariam-pirenena

Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena Rosianina sy ny zandarimariam-pirenena, hiadiana eo amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana. Nohamafisina tamin’ny alalan’ny fitsidihana ara-pomba-panajana nataon’ny mpanolotsainan’ny Masoivohon’ny Rosia eto Madagasikara, André Tchirkov, ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly Randriamahavalisoa Girard izany. Teny amin’ny Toby Jeneraly Ramarolahy Betongolo no nanatanterahan’izy ireo izany fihaonana izany, ny zoma 08 septambra 2017 lasa teo. Tapaka nandritra  ny fifampiresahana nisy teo amin’ny roa tonta fa hohamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Rosia eo amin’ny lafiny ara-tafika. Nodinihina manokana amin’izany ny fampitaovana sy ny fampiofanana. Tamin’ny alalan’izany fitsidihina izany ihany koa no no mbola nilazan’ity teratany vahiny ity fa hitondra ny hetahetan’ny Zandarimaria Malagasy eo anivon’ny Fanjakana Rosianina ny tenany , mba hijerena ny fomba mety rehetra hanatanterahana izany. Fa ankoatra izay, dia tonga nitsidika ara-pomba-panajana ny Jeneraly Randriamahavalisoa Girard ihany koa ny tale jeneralin’ny banky BFV SG, Bruno Massez, tamin’io andro io ihany. Fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny zandarimariam-pirenena, izay efa nisy hatramin’izay ihany koa no anton-dian’ity filohan’ny BFV SG ity teny Betongolo. Nanambara ity teratany vahiny, mpandraharaha ity, fa hisy ny fidinana ifotony any amin’ireo sekolin’ny zandarimariam-pirenena, ka himasoan’izy ireo amin’izany ny fanofanana ireo mpampianatra mikasika ny “sécurité” sy ny “délit financière”. Eo ihany koa ny fanofanana mahakasika ny raharaha manodidina ny resaka vola. Raha bangoina izany, dia fitsidihana ara-pomba-panajana roa sosona no noraisin’ ity sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ity  tamin’io zoma io, hanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo zandary, ho tombontsoan’ny Malagasy rehetra.

 

Mialy R.