23/06/2018

Firenena mikambana : Nanome fanampiana mitentina 8.3 tapitrisa Dolara an’ireo tra-boina

Fanampiana mitentina 8.3 tapitrisa Dolara amerikanina no natolotry ny firenena mikambana an’ireo tra-boina manerana ny nosy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Enawo tamin’ny alalan’ny drafitry ny firenena mikambana na ny SNU izay natolotr’izy ireo omaly teny Mahazoarivo. Fanafody, famatsiana ara-tsakafo, akanjo ary fampitaovana maro ho an’ny vonjy taitra toa izao no nomen’izy ireo ny tra-boina. Ireto fanampiana izay nivondronan’ny fianakaviamben’ny firenena mikambana tamin’ny alalan’ny Unicef, ny Pam, ny Oms, ny Unfpa, ary ny Fao. Niarahaba manokana ny ezaka vitan’ny fitondram-panjakana ny avy amin’ny firenena mikambana manoloana ny fihazakazahana ny amin’ny famahana ny olan’ireo tra-boina sy niharam-boina nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Enawo. « Raha tsy nisy ireo fepetra noraisin’ireo tompon’andraiki-panjakana dia mavesatra noho izao ny fahavoazana » hoy ny mpisolo tena ny Oms  monina sy miasa eto Madagasikara, Violette Kakyomya. Manoloana ny fahavoazana lehibe navelan’ny rivodoza Enawo dia naneho fahavononana ny hanampy an’i Madagasikara ho amin’ny fanarenana sy fanampiana ireo faritra maro ny firenena mikambana, indrindra ho an’ireo mponina marefo indrindra. Ankoatra ireo dia hanome fanampiana eo amin’ny lafiny fitaterana ireo fanampiana maro ihany koa ny Pnud sy ny Ocha mba hanafainganana ny fitaterana ireo fanampiana ara-potoana. Ahafahan’ireo tra-boina miaina mandritra ny roa hatramin’ny telo herinandro ireo tahirin-tsakafo voaangona hatramin’izao. Mbola mila hatramin’ny 50 tapitrisa Dolara kosa isika hanarenana ny fatiantoka lehibe nateraky ny rivodoza Enawo, mbola mety hiakatra io salan’isa io eo am-piandrasana ny tatitra avy amin’ny Bngrc sy ny famaranana ny « Flash appeal » izay mirakitra ireo  fahavoazana rehetra nandritra ny fisian’ny rivodoza izay.

N.I