21/07/2018

Fiparitahana zava-mahadomelina : Kamio iray nanipy rongony 2 gony

Rongony miisa manodidina ny roa gony sy tapany milanja 30 kilao no saron’ny mpitandro filaminana miasa ao Alasora. Ny sabotsy 7 jolay lasa teo no nahatratrarana ireo zava-mahadomelina ireo, teny Ambohimanambola. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny polisim-pirenena nisahana ny raharaha dia fantatra fa fanairana avy amin’ny vahoaka monina eny amin’ny manodidina no nahazoam-baovao. Raha ny toe-java-nitranga dia voalaza fa fiara kamio iray lehibe ana orinasa avy eto an-drenivohitra nandalo teny an-toerana, no tompon’antoka tamin’ny fanipazana io zava-mahadomelina tamin’ny gony io. Nandritry ny fandalovana teny an-toerana moa araka ny vaovao voaray dia efa nisy lehilahy miisa roa, nihaodihaody tsy lavitra ny nanipazana izany. Izay niandry ny haka ireo rongony. Nandeha mora izy ireo tamin’ny fanatanterahina ny asa ratsy, ary nirimorimo ny fiara taorian’izay. Nahatsikaritra fihetsika nampiahiahy tamin’izay ireo olona nahita ny fandehan-javatra, ka nanantona nijery ny zava-nisy. Ireo roalahy kosa nitsoaka raha vao nahatazan-davitra ireo olona niha-nanakaiky. Mbola tsy nikitika ny zava-nisy kosa ireo olona teny an-toerana, ary tsy nahalala ny tao anatiny, fa nampandre avy hatrany ny polisy. Tonga ara-potoana ary nijery mivantana ireo gony ireo ny mpitandro filaminana, ka tamin’izay no tra-tehaka ireo rongony 2 gony milanja telopolo kilao. Ny iray tamin’ireo no natao tanaty gony iray lehibe raha toa ka gony salantsalany kosa no nametrahana ny iray. Nentina teny anivon’ny kaomisaria teny Alasora ireo gony misy ny rongony taorian’izay. Efa miroso amin’ny fanadihadiana lalina mahakasika ny tompon’antoka sy ireo voasaringotra amin’ity raharaha ity ankehitriny ny mpitandro filaminana. Raha ny mikasika resaka fiparitahana rongony no asian-teny dia fantatra fa any amin’iny tapany Atsimon’ny nosy iny no tena ahitana trangana fahatrarana rongony amin’ireo fiara mandalo. Any amin’ny faritra Betroka no toerana fantatra fa mpampakatra azy.

Valérie R.