23/09/2018

Filohan’ny Lions clubs iraisam-pirenena:Migadona eto Madagasikara anio

Lanonana lehibe ho an’ny Lions eto Madagasikara ny andro anio, amin’ny fandraisana ny filohan’ny Lions clubs iraisam-pirenena ny Chancelier Robert Corlew sy ny vadiny Dianne Corlew miaraka amin’ny delegasiona ofisialy iraisam-pirenena Lions. Ny Lions Chancelier Robert Corlew izay voafidy hitantana ity fikambanana ity ny volana Jona 2016 teo mandritra ny herintaona. Ny filoha Corlew dia Chancelier misotro ronono ho an’ny fanjakan’ny Tennessee, any Etazonia sady mpampianatra lalàna. Efa mpikambana tao amin’ny Lions clubs-ny Murfreesboro Noon nanomboka ny taona 1978, ka anjara toerana maro no nosahaniny tao amin’ny fikambanana, isan’izany ny toeran’ny filoha mpanorina ny kliobany. Ny Lions clubs iraisam-pirenena no fikambanana lehibe indrindra maneran-tany. Ny 1,4 tapitrisan’ireo mpikambana dia ao anatin’ny 46 000 clubs mahery manao asa maha-olombelona amin’ny fiarahamonina any amin’ny firenena 200 mahery maneran-tany. Efa nanomboka ny taona 1917 no nanampy ireo ao anaty fahasahiranana eo anivon’ny fiarahamonina maneran-tany ny Lions. Amin’izao fotoana izao, manamarika ny faha-100 taona nanaovana soa ny Lions, ka amin’ny maha filoha azy, tonga hanamarika izany tsingerintaona nijoroan’ny fikambanana miaraka amin’ny Madagasikara sy ny firenena hafa aty amin’ny Ranomasimbe Indianina, ny “Chancelier” Lions Robert Corlew, manomboka anio 12 hatramin’ny 14 Desambra izao. Ity hetsika ity izay tafiditra ao anatin’ny fitsidihana manokana ireo firenena amin’ny ila bolantany Atsimo.

Laurena Nany